Madatopinfo

 Flash Info
  • MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka Isan’ny zo fototry ny olona tsirairay ny fahasalamana, noho ny tsy fahampiana sy ny halaviran’ny toeram-pitsaboana amin’ny toerana sasany anefa dia maro ny olona indrindra any ambanivohitra no tsy misitraka...
  • FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha...
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...

KAOMININA AMBOHIDRAPETO: Miroso ny fanatanterahana ny vinan’asa rehetra

KAOMININA AMBOHIDRAPETO: Miroso ny fanatanterahana ny vinan’asa rehetra

KAOMININA AMBOHIDRAPETO: Miroso ny fanatanterahana ny vinan’asa rehetra
mars 08
19:35 2022

Diabe niala teo amin’ny Lapan’ny tanàna, nitohy tamin’ny fambolena karazan-java-maniry hanatsarana ny endriky ny tanàna tany amin’ny fokontany Ambohidrapeto sy Antsahamasina no nentin’ny Kaominina Ambohidrapeto nakalazana ny Andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy ny talata 8 martsa. Narahina hira sy dihy ary kilalao isan-karazany ny lanonana ary nandraisan’ireo vehivavy rehetra mitàna andraikitra ao anatin’ny kaominina toy ny vehivavy mpiasan’ny kaominina, mpampianatra sy ny avy ao amin’ny ZAP Ambohidrapeto ary ny fikambanam-behivavy ao an-toerana. « Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampisehoana fa maro ny andraikitra sahanin’ny vehivavy ary manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana izy ireo. Vina rahateo ny hamirapiratan’ny kaominina ary tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa ao anatin’ny herintaona », hoy ny Ben’ny tanàna an’Ambohidrapeto, Mihary Andriantsilavo. Ankoatra ny jiro efa manerana ny tanàna sy ny rano, eo am-panamboarana ihany koa ny lalana sy ny lalan-kely, ny tohatra rehetra, ny fanatsarana ny fokontany Antsahamasina izay misy ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena goavana ka hangatahan’ny Ben’ny tanàna amin’ny fitondram-panjakana ny hanovàna ny kianja ho « synthétique ». Ho an’ny kaominina Ambohidrapeto, tena ho taonan’ny asa tokoa ity taona 2022 ity, hahatrarana ireo vina efa nampanantenaina ny vahoaka tamin’ny andron’ny fampielezan-kevitra. Ao anatin’ny fampandrosoana ny kaominina hatrany, manolotra fiofanana ho an’ireo olona tsy an’asa ny fikambanana Manandratra izay eo ambany fitarihan’ny Ben’ny tanàna an’Ambohidrapeto, Mihary Andriantsilavo. Manome angady sy fitaovam-panjonoana ho an’ireo mpiofana izy ireo ary anjaran’ny mpisitraka kosa no mitady ny asa mifandraika amin’izany. Aorian’izay, manara-maso ny fizotry ny asa ireo tompon’andraikitra isan-tokony ary mitondra ny tatitra mankany amin’ny mpiara-miombon’antoka. Misy ihany koa moa ny tetikasa iarahana amin’ny ONG iray amin’ny fanangonana ny fako ao anatin’ny kaominina Ambohidrapeto ary hanodina izany ho lasa antom-pivelomana ka hampihena ny tahan’ny tsy fananana asa ao an-toerana. Havondrona ihany koa ireo tanora tsy an’asa 18 taona ka hatramin’ny 40 taona ary hodinihana avokoa ny antony sy ny olana misy ary hojeren’ny kaominina ireo paikady mifandraika amin’izany.

M.R

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930