Madatopinfo

 Flash Info

FETE DE LA MUSIQUE 2023: Hiavaka ny fanamarihana amin’ity taona ity

FETE DE LA MUSIQUE 2023: Hiavaka ny fanamarihana amin’ity taona ity

FETE DE LA MUSIQUE 2023: Hiavaka ny fanamarihana amin’ity taona ity
juin 14
16:33 2023

Raha teny amin’ny Alliance Française Andavamamba hatrany no nahazatra nampiantrano ny hetsika «Fête de la musique» isan-taona, hiova rivotra eny amin’ny Ditrikan’Atsimondrano indray izany amin’ity taona 2023 ity. Araka ny nampahafantarina ny talata 13 Jona lasa teo teny amin’ny Campus Telma Andraharo, ny 17 ka hatramin’ny 23 Jona ho avy izao no hanatanterahana ny «Fête de la musique 2023» eny Tanjombato sy Andoharanofotsy izay hiarahan’AFT sy ny Telma Madagascar ary ireo mpiara-miombon’antoka hafa.«Diabe Mozikara handraisan’ireo olona manodidina ny 300 anjara no hanombohana ny hetsika ny marainan’ny 17 Jona izay hamakivaky ny lalana Andoharanofotsy, arahina fanentanana ara-kolontsaina isan-karazany. Ny tolakandro kosa fampisehoana lehibe iarahana amin’i Ljo, Lion Hill ary Rim-ka eny amin’ny Kianja Tongarivo Tanjombato, tsy misy ny vidim-pidirana mandritra izany », hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny tompon’andraikitry ny AFT nandritra ny tafa natao tamin’ny mpanao gazety. Ho feno avokoa ny fandaharam-potoana mandritra io herinandro hanamarihana ny «Fête de la musique», hisy ny fifaninanana dihy sy «cover», ary «Questions pour un Mélomane». Eo ihany koa ny fifaninanana amin’ny tambazotran-tserasera ahafahan’ireo olona tsy afaka manatrika mivantana. Mandritra ny famaranana ny tolakandron’ny 23 Jona kosa dia hisy ny sehatra ahafahan’ny daholobe mandray anjara na «Open mic». « Isan’ny manosika ny orinasa Telma manohana ity hetsika ity ny tosika sy fanomezan-danja ireo mpanakanto efa fanta-daza sy ireo artista vao misondrotra ary ihany koa ho fampiroboroboana ny kolontsaina», hoy i Riantsoa Rabefitia, tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma Madagascar.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031