Madatopinfo

 Flash Info

CARTE VISA MVOLA: Azo jifaina amin’ny sarany 20.000 ariary eny amin’ny Telma Shop rehetra

CARTE VISA MVOLA: Azo jifaina amin’ny sarany 20.000 ariary eny amin’ny Telma Shop rehetra

CARTE VISA MVOLA: Azo jifaina amin’ny sarany 20.000 ariary eny amin’ny Telma Shop rehetra
octobre 08
07:15 2020

Tolotra vaovaoben’ny Mvola miaraka amin’ny banky BNI Madagascar ny Carte VISA Mvola. Carte internationale, tsy misy engagement, tsy mila manana kaonty any amin’ny banky, tsy misy vola aloa isam-bolana izany. Efa nammpahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 2 Oktobra lasa teo ny fisian’izany. Nanamafy ny Tale Jeneraly Lefitra eo anivon’ny Mvola, Andrianalisoa Heritiana nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny amin’ny Telma Shop Zoom Ankorondrano ny alarobia 7 Oktobra fa ahafahana maka vola eny amin’ny DAB erak’izao tontolo izao ity Carte Visa ity. Ahafahana mandoa TPE sy ireo tolotra « internet » eto Madagasikara sy any ivelany ihany koa izany. « Araka izany, raha te hisitraka ny Carte Visa Mvola dia manatona ireo Telma Shop miisa 75 miparitaka manerana ny Nosy amin’ny sarany 20.000 ariary », hoy ity tompon’andraikitra ity. Nomarihany ihany koa fa mora kokoa ny saran’ny fangalana vola raha eny amin’ny banky mpiara-miasa amin’ny Mvola no ampiasaina azy. Raha ny eo amin’ny sandan’ny fifanakalozana indray kosa dia efa azon’ny rehetra jerena ao amin’ny tranokalan’ny Mvola manomboka izao. Araka ny fanampim-panazavana voaray hatrany, ny fampiasana ny Carte Visa Mvola amin’ny « internet » dia 24 ora aorian’ny dingana fampifandraisana ny kaonty Mvola sy ilay Carte Visa Mvola vao mandeha, ny fangalana vola eny amin’ny DAB kosa dia azo ampiasaina avy hatrany. Raha ny fanazavana, ho fiarovana ny Carte Visa Mvola dia misy ny fampifandraisana ny adiresy mailaka amin’ny kaonty Mvola ahazoana ny fanamarihana rehetra momba ny tolotra rehetra nampiasaina tamin’ny alalan’ny Carte VISA. Raha ny hita teny amin’ny Telma Shop izay nandalovanay dia maro tokoa ny olona no liana sy maniry ny hampiasa ity Carte Visa Mvola ity na dia vao andro vitsivitsy aza izay no nampahafantarana azy teto amintsika.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930