Madatopinfo

 Flash Info

TAOM-PIANARANA 2021-2022: Hitombo 30 indray ireo sekoly hisitraka ny fanabeazana nomerika

TAOM-PIANARANA 2021-2022: Hitombo 30 indray ireo sekoly hisitraka ny fanabeazana nomerika

TAOM-PIANARANA 2021-2022: Hitombo 30 indray ireo sekoly hisitraka ny fanabeazana nomerika
novembre 23
18:14 2021

Isan’ny tanjon’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanomezana fanabeazana tsara kalitao ho an’ny ankizy malagasy manerana an’i Madagasikara, ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fampianarana amin’ny alalan’ny fanabeazana nomerika. Manoloana izany indrindra no nahatonga ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Orange Solidarité Madagascar hanavao indray ny fiaraha-miasa izay efa natomboka tamin’ny taona 2014. Notanterahana ny talata 23 Novambra lasa teo ny fanamafisana izany fiaraha-miasa izany tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia teo amin’ny Ministry ny fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala sy ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Benja Arson. Voarakitra ao anatin’ity fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ity ny hisitrahan’ny mpianatra ny fikirakirana teknolojia vaovao sy avo lenta.
“Amin’ny alalan’ny fandaharanasa Sekoly nomerika, ny Orange Madagascar dia mandray anjara amin’ny fampihenana ny elanelana nomerika, fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, fampiroboroboana ny fitovian’ny fahafahana ho an’ny mpianatra eo amin’ny lafiny fanabeazana nomerika, na aiza na aiza misy azy, ary koa hametrahana ny fampiasana fitaovana nomerika eny anivon’ny sekoly », hoy ny fanazavan’i Frédéric Debord, tale jeneralin’ny Orange Madagascar.
Amin’ity taom-pianarana 2021-2022, hiampy 30 ireo sekoly hisitraka ity fandaharanasa fanabeazana nomerika ity eto Madagasikara ary samy hahazo ireto fitaovana ireto avokoa izy ireo: « 1 laptop, 25 tablettes, 25 casques, 2 serveurs Raspberry, 1 vidéoprojecteur avec 1 écran, des Powerbank, des multiprises miaraka amin’ny kojakoja miaraka aminy ». Sekoly anankiroa amin’ireo hisitraka ny fandaharanasa kosa no tsy misy herinaratra ka hahazo fitaovana mifandraikitra amin’izany . Nanomboka ny taona 2014, maherin’ny 6.000 ny isan’ny « tablettes » nomena ny sekoly 157 manerana ny Nosy. Ampiasaina ny fitaovana nomerika, ahafahan’ny mpianatra mahazo vokatra mahafa-po, raha ny fanampim-panazavana hatrany. Hanamora ny fampidirana ny fandaharam-pampianarana ihany koa ny fanabeazana nomerika amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Antenaina araka izany fa hipàka amin’ny fiakaran’ny voka-panadinana izao fiaraha-miasa ny roa tonta mikasika ny fametrahana ny fanabeazana nomerika izao.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031