Madatopinfo

 Flash Info

ECPAT FRANCE MADAGASCAR: Nomarihana tamin’ny hetsika miavaka ny Andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny ankizy

ECPAT FRANCE MADAGASCAR: Nomarihana tamin’ny hetsika miavaka ny Andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny ankizy

ECPAT FRANCE MADAGASCAR: Nomarihana tamin’ny hetsika miavaka ny Andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny ankizy
novembre 27
06:10 2021

« Ny feonay ankizy ho an’ny zonay », io no teny faneva nankalazana ny Andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny ankizy izay notanterahana teny Antaninarenina ny zoma 26 Novambra lasa teo. JIDE Event, hetsika izay nokarakarain’ny Ecpat France Madagascar sy ireo mpiara-miasa aminy. Nandray anjara nandritra izany ireo ankizy solontena manerana ny Faritany 6 manerana ny Nosy: Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Taolagnaro ary Antsirabe. Izany moa dia teo ambany fiahian’ny Ministry ny mponina, ny sy ny fiahinna ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Fotoana iray izay nahafahan’ireo ankizy ireo namoaka ny hetahetany sy nitantarany ny zava-mitranga hitany eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Tamin’ny alalan’ny horonantsary, kabary, fijoroana vavolombelona sy ny maro hafa no nanehoan’izy ireo izany rehetra izany ary nisongadina ny ady amin’ny herisetra isan-karazany.
« Maro ny tranga isehoan’ny herisetra eto amintsika, eny anivon’ny sekoly, fiangonana, toeram-pizahantany ary anaty tambazotra-tserasera samy hafa. Ka izany no mahatonga ny Ecpat France Madagascar manatontosa izao hetsika izao hahampafantarina ny zava-misy amin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny », hoy ny tompon’andraikitry ny tetikasa ao amin’ny Ecpat France Madagascar.
Manamafy izany i Francky, solontenan’ny ankizy avy any Taolagnaro izay nandray fitenenana manoloana ny tompon’andraikitra tonga nanatrika ny JIDE Event: « Betsaka ny ankizy eny amoron-dranomasina no asain’ny ray aman-dreniny manao fitafiana tsy mendrika hisahirana teratany vahiny na malagasy koa aza ». Manoloana izany olana mahazo ny ankizy izany, miandrandra fiovana mikasika ny ady amin’ny herisetra araka izany ny ankizy malagasy ary koa ny fampiroboroboana ny zon’izy ireo.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930