Madatopinfo

 Flash Info

RAHARAHA VOLA SANDOKA TENY ALASORA : Mitaky Fitsarana ara-drariny sy mahitsy ny fianakavian’i Rakotomalala Marcel

RAHARAHA VOLA SANDOKA TENY ALASORA : Mitaky Fitsarana ara-drariny sy mahitsy ny fianakavian’i Rakotomalala Marcel

RAHARAHA VOLA SANDOKA TENY ALASORA : Mitaky Fitsarana ara-drariny sy mahitsy ny fianakavian’i Rakotomalala Marcel
octobre 21
05:35 2022

Enim-bolana izay no nahavoatana am-ponja ny raim-pianakaviana iray izay monina eny Alasora, voarohirohy tamin’ny fanamboarana vola sandoka. Manoloana izany, nitondra fanazavana ny vady aman-janak’i Rakotomalala Marcel sy ny fianakaviany, omaly, fa mbola tsy fantatra ny fotoam-pitsarana ity havany ity. Raha tsiahivina mantsy, ny marainan’ny sabotsy 23 Aprily lasa teo no nanatanteraka fisavana tao an-tokantranon’io raim-pianakaviana io ny zandary avy amin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Centrale, naharitra ka hatramin’ny 9 ora maraina ny fisavana raha ny fanazavan’ny zanany lahy, Nomenjanahary valisoa Fanambinana Mampionona. « Tsy nahitana na singam-bola sandoka na iray aza tao an-tokantrano nandritra ny fisavana, ary nilaza ny zandary fa hoentina any amin’ny birao i Rakotomalala Marcel alaina am-bavany », hoy hatrany ny zanany nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny Ampefiloha. Ny talatan’io kosa, nilaza ny ankohonany fa nahavoaray antso nanambara ny fitanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ity voarohirohy amin’ny fanamboarana vola sandoka ity. Ankoatra izay, nanamafy hatrany ny zanany lahy fa orinasa misehatra amin’ny « imprimerie » no sahanin’izy mianakavy ary fitaovana mifandraika amin’izay ihany no hita ao toy ny taratasy fanaovana afisy, milina « offset ». Manoloana izany zava-misy izany, miandrandra ny hisian’ny Fitsarana mangarahara sy madio ny fianakavian’ity voafonja voalaza ho voahosopotaka ny amin’ity raharaha ity ary nilaza ny vadiny, Ramambasoa Aimée fa mahatoky tanteraka ny fahendren’ny mpitsara sy ny hipoiran’ny tena marina. Miantso ny olon-tsotra ihany koa ireo akaiky azy hanatrika izany fotoam-pitsarana izany rehefa fantatra ny daty hanatanterahana izany.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031