Madatopinfo

 Flash Info

POESAM 2021 : Ny tetikasa AHIA no voahosotra ho tompon-dakan’i Madagasikara

POESAM 2021 : Ny tetikasa AHIA no voahosotra ho tompon-dakan’i Madagasikara

POESAM 2021 : Ny tetikasa AHIA no voahosotra ho tompon-dakan’i Madagasikara
décembre 02
17:30 2021

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny tolakandron’ny 2 Desambra teny amin’ny Orange Digital Center Ankorondrano ireo telo voalohany nandresy tamin’ny fifaninanana antsoana hoe: “POESAM” na Prix Orange de l’Entrepreuneur Social en Afrique et Moyen Orient andiany faha-11. Nibata ny amboara tamin’ity taona 2021 ity ny AHIA, tetikasa izay miompana amin’ny fanampiana ireo mpianatra amin’ny ambaratonga voalohany sy fahatelo amin’ny alalan’ny tohana ara-tsakafo sy saram-pianarana. “Mpianatra manodidina ny 20 teto Antananarivo no efa nisitraka ny tetikasa AHIA, hihitatra amin’ny faritra hafa kosa izany amin’ny alalan’ny POESAM”, hoy i Mirana Rakotondranahy, mpifaninana. Loka goavana avy amin’ny Orange no natolotra ho an’ny mpandresy ho fanohanana ny tetikasany, ary samy notolorana mari-pankasitrahana avokoa ireo telo voalohany. Vola mitentina 2.500.000 ariary sy miampy 1.000.000 ariary tamin’ny “prix féminin” no azon’ny tetikasa AHIA, voahosotra ho tompon-daka tamin’ny POESAM 2021 teto Madagasikara. Ny iTS kosa no nahazo ny laharana faharoa izay notolorana 2.000.000 ariary ary ny fahatelo ny Koti Kota no nitana, nahazo 1.500.000 ariary.
Raha tsiahivina, ny POESAM dia fifaninanana mamorona tetikasa, nahatratra 50 mahery ny tetikasa nandray anjara tamin’ity hetsika ity nandritra izao andiany faha-11 izao. Nandalo dingana fifanintsanana niatrika ny mpitsara ny lalao kosa ireo 10 voasafidy tamin’izany. Isan-taona, ny « Prix Orange de l’Entrepreuneur Social en Afrique et Moyen Orient » dia manome valisoa ho an’ ireo tetikasa mendrika indrindra ahitana fiatraikany tsara eo anivon’ny Afrika sy Moyen Orient ka firenena 17 no mandray anjara amin’izany, iray amin’ireo i Madagasikara. Mbola hisy araka izany ny POESAM andiany faha-12 ary hampirisihana ny tanora malagasy hatrany handray anjara.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930