Madatopinfo

 Flash Info

FIANGONANA JESOSY MAMONJY: Nizotra am-pilaminana ny fankalazana ny faha-60 taona

FIANGONANA JESOSY MAMONJY: Nizotra am-pilaminana ny fankalazana ny faha-60 taona

FIANGONANA JESOSY MAMONJY: Nizotra am-pilaminana ny fankalazana ny faha-60 taona
juillet 02
09:30 2023

Nitohy tamin’ny fitoriana ny Filazantsara lehibe ivelan’ny efitrano teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy ny tontolo andron’ny sabotsy 1 Jolay lasa teo. Nialohavan’ny Sampana mpidera eo anivon’ny fiangonana izany, avy eo niditra tamin’ny fotoam-pivavahana sy toriteny fampaherezana. Na dia teo aza ny feo nihely mikasika ity fankalazana ny faha-60 taona teny an-toerana ity, nirindra antsakany sy andavany ny fotoana. Ny mpitandro filaminana rahateo efa nihatrana teny amin’ny Coliseum sy ny manodidina ary nahazo ny fankatoavana avy amin’ny fitondram-panjakana rahateo izany. « Efa napetraka teo am-pelatanan’Andriamanitra hatrany ny fotoam-pankalazana izay natomboka tamin’ny alarobia 28 Jona lasa teo teny amin’ny foibe Ankorondrano ka hatramin’ny alahady 2 Jolay », hoy ny mpandrindra sady Komity mpanomana ny faha-60 taona, Lalah Rivoharimanana. Nihoatra noho ny eritreretina, hoy izy, ny mpino tonga tamin’ity andro ity. Ankoatra ny mpino Jesosy Mamonjy mantsy, niara-nankalaza izany ihany koa ny avy amin’ny fiangonana rahavavy toa ny Apokalipsy sy ny Vahao ny oloko. Teo ihany koa ny solontenan’ny fitondram-panjakana sy avy any ivelan’i Madagasikara. «Isan’ny nisongadina nandritra izay 60 taona izay ny nahafahana nanitatra ny asa sy nandrakotra an’i Madagasikara. Amin’izao fotoana izao, misy fangonana Jesosy Mamonjy miisa 2.500 manerana ny Nosy ary manana mpitandrina manodidina ny 1.000 », araka ny fanampim-panazavana hatrany. Ankoatra ny eto an-toerana, ahitana Sampana ihany koa any Frantsa izay efa 17 taona nijoroana, Allemagne, Canada, Amerika, Mayotte sy Nosy La Réunion ary tsy hoela no hijoro ny any Liban. Vinan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy ny hanatsara ny tontolon’ny fampihorenana ny mpino amin’ny lafiny ara-panahy ary ihany koa ny hanitatra ny fiangonana amin’ny firenen-kafa. «Zava-dehibe ny faha-60 taona fa ny tanjona dia ny lanitra, hiara-hibanjina ny hoavy ary ny lehibe indrindra dia ny fiainana mandrakizay», hoy ny hafatry ny Komity mpanomana ny faha-60 taona.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031