Madatopinfo

 Flash Info

T.ART.RA ANDIANY FAHA-24: Tranoheva mihoatra ny 30 no handray anjara eny Antaninarenina mandritra ny 3 andro

T.ART.RA ANDIANY FAHA-24: Tranoheva mihoatra ny 30 no handray anjara eny Antaninarenina mandritra ny 3 andro

T.ART.RA ANDIANY FAHA-24: Tranoheva mihoatra ny 30 no handray anjara eny Antaninarenina mandritra ny 3 andro
juillet 27
15:00 2021

Anisan’ny mampitaraina ny mpajifa ny fahalafosan’ireny vokatra asa tanana vita malagasy ireny ka mahatonga ny olona hirona kokoa amin’ny vita vahiny toy ny poketra, kapa na kiraro, akanjo sy ny maro hafa. Manampy trotraka koa ny fitotonganan’ny lanjan’ny asa tanana eto amintsika noho ny fikatonan’ny sisitany amin’izao vanim-potoanan’ny valanaretina covid-19 izao. Ny asa tanana eto an-toerana anefa isan’ireo tsara kalitao sy mateza raha oharina amin’ny any ivelany. Hamerenana izay hasin’ny asa tanana malagasy izay indrindra, dia mikarakara hetsika goavana ny AJEEM Madagasikara (Association des Jeunes Enseignants et Etudiants de Madagascar) izay antsoina hoe: « Salon de l’artisanat T’Art.Ra ». Nampahafantarin’ny AJEEM Madagasikara ny talata 27 jolay fa amin’ity andiany faha-24 ity dia hotanterahana eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina izany tsenaben’ny asa tanana izany ny 28 sy 29 ary 30 jolay 2021 hoavy izao. « Ahitana famelabelaran-kevitra arahina adihevitfa, varotra fampiratiana, tombola sy karazana fanentanana samihafa mandritra ireo 3 andro ireo. Tsy misy ny vidim-pidirana amin’ity hetsika tsenaben’ny asa tanana ity ary azon’ny rehetra tsidihina izany », hoy ny mpikarakara, Jen Raharinivo. Tranoheva manodidina ny 30 no fantatra fa handray anjara amin’ity T.Art.RA andiany faha-24 ity ary manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva no ahafahan’ny mpitsidika mankeny an-toerana. Raha ny fantatra hatrany, hampiavaka amin’ity andiany ity ny fisian’ny fisahirana izay ahazoana loka maro tahaka ny firavaka volafotsy, eo ihany koa ny loka samihafa tsy ampoizina omena ho an’ireo izay handray anjara sy tonga eny an-toerana. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fanomezana atolotry ny mpikarakara ho an’ireo mpitsidika 100 tonga voalohany mandritra izay 3 andro misesy izay. Miantso ny vahoaka malagasy araka izany ny mpikarakara mba hitsidika sy hanjifa mandritra ny « Salon de l’artisanat T’Art.Ra » ho fampiroboroboana ny sehatra ara-toekarena eto Madagasikara.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930