Madatopinfo

 Flash Info

TAOM-PIANARANA 2023-2024 : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe I

TAOM-PIANARANA 2023-2024 : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe I

TAOM-PIANARANA 2023-2024 : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe I
septembre 13
11:25 2023

« Fanabeazana ho an’ny rehetra sy tsara kalitao, antoky ny fampandrosoana ny firenena« , izany no lohahevitra nentina nanamarika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024 teto Madagasikara. Tao amin’ny kianja « vélodrome Antsirabe I » no nanatanterahana ny lanonana nifanaraka tamin’izany ny marainan’ny talata 12 septambra 2023.
Ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrarimalala, izay notronon’ireo olo-manan-kaja sy manam-pahefana maro niaraka tamin’ireo fianakaviam-ben’ny fanabeazana, no nitarika sy nanatontosa izany.
Niavaka raha samy niavaka tamin’izany lanonana fanamarihana ny fisokafan’ny taom-pianarana efa nisy hatramin’izay io fotoana io satria notanterahina nandritra izany ireo fampanantenana nataon’ny Fitondram-panjakana ho an’ny sehatry ny fanabeazana. Isan’izany ny fizarana ny taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra nivoaka avy tamin’ny sekoly ambony manofana ho mpampianatra na ny « ENS », izay miisa 59 ho an’ny faritra Vakinankaratra, izay voaray ho mpiasam-panjakana tamin’ny andiany fahasivy. Notontosaina nandritra izany ihany koa ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra tany an-toerana, izay nahitana kahie 535 182 isa sy ny fizarana « smartphone » miisa 268 hanaovana tantsoroka ho an’ireo Talen-tsekoly ao anatin’ny faritra Vakinankaratra eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny sekoly.
Fisaorana ho an’ireo ray aman-dreny miezaka mampianatra ny zanany ; tso-drano sy fandrisihina ireo mpampianatra mpanabe sy ireo mpandraharaha eny anivon’ny sekoly amin’ny fanatanterahana ny asany ho amin’ny antsakany sy andavany ary firariana fahazotoana sy fahombiazana ho an’ireo mpianatra no navoitran’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrarimalala, nandritra ny lahateny nataony. Tsy nohadinoin’ity tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana eto Madagasikara ity ihany koa ny nanantitra fisaorana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, izay nanohana hatrany ny sehatry ny fanabeazana teto amin’ny firenena, sy ny mbola nanaovany antso avo amin’ny hanohizana izany ho tombontsoan’ny zaza Malagasy.
Fisaorana sy fankasitrahana feno ny Fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena kosa no nasetrin’ireo manam-pahefana sy ny solontenan’ireo mpampianatra vao avy nisitraka taratasy fifanarahana arak’asa ary ny solontenan’ny fianakaviam-ben’ny fanabeazana hafa tany an-toerana nanoloana izany.
Tsy hijanona hatreo Vakinankaratra io hetsika fizarana taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra nivoaka avy tamin’ny sekoly ambony manofana ho mpampianatra na ny « ENS » ireo fa hitohy manerana ireo faritra 22 hafa.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930