Madatopinfo

 Flash Info

INFORMATIKA SY NOMERIKA: Manome sehatra ho an’ny tanora malagasy ny 42 Antananarivo

INFORMATIKA SY NOMERIKA: Manome sehatra ho an’ny tanora malagasy ny 42 Antananarivo

INFORMATIKA SY NOMERIKA: Manome sehatra ho an’ny tanora malagasy ny 42 Antananarivo
avril 05
08:26 2024

Miankina amin’ny tontolon’ny nomerika sy informatika ny ankabeazan’ny asa sy ny fianarana amin’izao vanim-potoana izao, tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny olona araka izany ireo sehatra ireo. Izany indrindra no antom-pisian’ny 42 Antananarivo etsy amin’ny Galaxy Andraharo, sekoly manaraka ny endri-panabeazana manavao izay notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 4 Aprily izany ary teo ambany fiahiana sy ny fanatrehan’ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Tahina Razafindramalo, sy ny Tale Jeneralin’ny Vondrona Axian, Hassanein Hiridjee.
Tsiahivina fa nanomboka ny volana Jona 2023 ny fisoratana anarana tamin’ny andiany voalohany, ary nahatratra 8 000 ny tanora liana tamin’ny fiofanana. Nahitana vehivavy 30 kosa no nisitraka ny fiofanana tamin’io andiany voalohany io. Tsy nisy fepetra manokana momba ny mari-pahaizana tamin’ny nifantenana ireo mpianatra ary maimaim-poana 100% ny fiofanana izany hoe tsy nisy saram-pianarana naloha.
Raha ny fantatra, tsy misy mpampianatra na ihany koa taranja akademika ny fiofanana eo anivon’ny 42 Antananarivo fa fianarana mifototra amin’ny tetikasa sy asam-bondrona. Tombony ho an’ny mpiofana ny fisitrahana fampianarana tsara kalitao amina toerana midadasika izay mirefy 1.000 metatra toradroa, eo ihany koa ny fotodrafitrasa efa misy ny fitaovana avo lenta rehetra toy ny solosaina miampy « connexions ». Ahitana irony antsoina hoe:  » cluster high-tech  » sy efitrano fivoriana ary “Bytes Lab » izay hahafan’ny mpianatra mifanerasera sy miara-miasa, misy ihany koa ny toerana natokana ialana sasatra sy isakafoana.
« Ankehitriny dia firenena afrikanina 3 ihany no niditra tao amin’ny tambajotra iraisampirenena 42, i Madagasikara kosa no firenena afrikanina faharoa, taorian’i Maroc sy teo aloha kelin’i Angola. Reharehako ihany koa ny mitondra ny anjara biriky hananan’ny tanora malagasy hoavy mamiratra », araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Vondrona Axian, Hassanein Hiridjee.
Ho an’i Sophie Viger, Tale Jeneraly 42 Paris, fomba fijery vaovao ho an’ny Malagasy ny fanokafana izao 42 Antananarivo izao, na lahy na vavy, na inona toe-javatra iainany ara-piaraha-monina, na ny fianarana noratovony. »Ity toeram-piofanana ity araka izany dia toerana iray ahitana ny nofinofy, izay ahafahana maneho ny talenta, ary indrindra fampirisihana ny fahaiza-mamorona, hoy hatrany i Sophie Viger. Isan’ny nanatrika ity lanonam-pitokanana ny 42 Antananarivo ity ihany koa moa ny Masoivoho Frantsay miasa eto Madagasikara, Arnaud Guillois.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031