Madatopinfo

 Flash Info

POP MVOLA: Hanampy ny mpanjifa amin’ny fikirakirana ny MVola

POP MVOLA: Hanampy ny mpanjifa amin’ny fikirakirana ny MVola

POP MVOLA: Hanampy ny mpanjifa amin’ny fikirakirana ny MVola
mai 27
07:02 2023

Efa manodidina ny 10 tapitrisa ankehitriny ny mpanjifa MVola manerana an’i Madagasikara, tsy mitsahatra mikaroka zava-baovao ny orinasa hanomezana fahafaham-po ho an’ireo mpanjifa ireo. Marika izany ny fisokafan’ny masoivoho manokana antsoina hoe: « Pop MVola » izay notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 26 Mey lasa teo tetsy amin’ny Galaxy Andraharo. Hahazo tombony lehibe ny mpanjifan’ny MVola amin’ny alalan’ny Pop MVola noho izy ahitana ireo tolotra sy vokatra rehetra MVola, tahaka ny fanokafana kaonty, ny fisintomana sy fametrahana vola amin’ny Mvola, fa indrindra ihany koa hahafahana mangataka fanampim-panazavana na ny famahana ny olana rehetra mahakasika ny MVola. Raha ny fanazavana voaray, hanafaingana ny fikarakarana ny mpanjifa ny fisian’ity masoivoho manokana ity izay nohamafisin’ny tompon’andraikitra fa tsy handoavam-bola. Isan’ny mampiavaka ny Pop MVola ihany koa ny ora fisokafany, ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy manomboka amin’ny 8 ora maraina ary mitohy ka hatramin’ny 6 ora hariva ny Pop MVola. Ho an’io Pop MVola voalohany etsy Andraharo io, efa misy ekipa vonona handray ny mpanjifa eny an-toerana. Mitohy hatrany kosa anefa ny tolotra mahazatra eny amin’ny « cashpoint » mpiara-miasa amin’ny MVola. Ny MVola moa dia mitondra fanatsarana hatrany eo amin’ny tolotra sy servisy ho an’ny mpanjifany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930