Madatopinfo

 Flash Info

SDAUM: Tanan-dehibe 8 eto Madagasikara no nisitraka ny tetikasa nandritra ny 69 volana

SDAUM: Tanan-dehibe 8 eto Madagasikara no nisitraka ny tetikasa nandritra ny 69 volana

décembre 28
14:15 2021

Niompana momba ny fanadiovana ny tetikasa « Schéma Directeur d’Assainissement Urbain à Madagascar » na SDAUM izay notanterahana nandritra 5 taona mahery. Nampiharina tamina tanan-dehibe 8 ny SDAUM ka Antsirabe no nosafidiana ho « pilote » tamin’izany noho izy isan’ny tanàna lehibe ankoatra ankoatra ireo renivohi-paritany, eo ihany koa ny fahabetsahan’ny fanatsarana tokony hotanterahana ao an-toerana. Ny Banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana na ny BAD kosa no namatsy vola nahafahana nanatontosa izany. « Tanjon’ny tetikasa ny fametrahana ireo Drafi-pitantanana sy atontan-kevitra voarindra isaky ny kaominina », hoy ny Tale Jeneraly teknika eo anivon’ny Ministeran’ny rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Thierry Ratovoniaina. Araka ny tatitra, ny SDAUM dia hitondra fampandrosoana ho an’ ny firenena amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fidiovana sy ny fanadiovana tahaka ny fitantanana ny fako, sy fandinihana ireo toerana iangonan’ny rano maloto miangona.
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy teny Antaninarenina ny talata 28 desambra ity tetikasa ity izay nandraisan’ireo mpisehatra amin’ny fanadiovana anjara, toy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana sy ny mpiara-miombon’antoka. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2016 no nanomboka ny tetikasa ary mbola hisy ny fijerena akaiky ireo asa efa vita aorian’izao. Andrandraina araka izany ny fiovana goavana hoentin’ity tetikasa « Schéma Directeur d’Assainissement Urbain à Madagascar » ity indrindra hisorohana ireo karazana aretina ateraky ny loto.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930