Madatopinfo

 Flash Info

FARITRA ANOSY – TETIKASA MIONJO : Laharampahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina

FARITRA ANOSY – TETIKASA MIONJO : Laharampahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina

FARITRA ANOSY – TETIKASA MIONJO : Laharampahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina
juin 19
16:10 2023

Mandritra ny ndro manerantany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny hain-tany ny 17 jona, nosafidiana ny lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity dia : « Gn’ampela mivoatsy riaha, dra magnasoa gny tany, dra mandray andraikitsy amin’ny gn’ady atô mba tsy hahakarakay gny tany ».
Tao amin’ny Faritra Anosy no nanamarihana ofisialy ny Andro manerantany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny hain-tany ny 18 sy 19 jona 2023. Fambolena lalanda sy laloasy hihazonana ny dongom-pasika tsy hiitatra tao Tanandava Distrikan’Ambosary no nanombohana izany ny 18 jona izay notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy nisolotena an-dRamatoa Minisitra Vina Marie-Orléa, ny lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanàna, ny Fitaleavam-paritry ny MEDD Anosy, ny tetikasa Mionjo ary ireo mponina ao an-toerana sy ny fikambanam-behivavy. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika antsoina hoe Tetikasa Mionjo izao hetsika izao.
Ho an’ny Kaominin’i Tanandava manokana dia fihazonana dongom-pasika mirefy 11 hektara sy « brise vent » 7 kilaometatra no apetraka ao an-toerana ho fiarovana ny toeram-ponenana, ny fambolena, ny fiompiana tsy ho tototry ny fasika.
Ny Tetikasa Mionjo dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny “Plan Emergence sud” ary isan’ny tanjona ao anatin’ny Tetikasa ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina ka ireo vehivavy eny ifotony ireo dia miara-miasa amin’ny tetikasa amin’ny fambolena laloasy sy lalanda hihazonana ny dongom-pasika ary misitraka tambin-karama mitentika 8.400 ariary isanandro izy ireo amin’izany.

Ny alatsinainy 19 jona moa no nisy ny atrikasa fankatoavana ny PAG na Plan d’Aménagement et de Gestion tamin’ny alalan’ny tetikasa Mionjo.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031