Madatopinfo

 Flash Info

CORONAVIRUS. MIEZAKA NY FITONDRANA MBA TSY HISY AINA AFOY.

CORONAVIRUS. MIEZAKA NY FITONDRANA MBA TSY HISY AINA AFOY.

CORONAVIRUS. MIEZAKA NY FITONDRANA MBA TSY HISY AINA AFOY.
avril 18
20:13 2020


« Miasa mafy mba tsy hisy ny aina afoy ». Hoy ny Filoha Andry Rajoelina, raha nanomboka ny tafa izy ny alarobia valo aprily tamin’ny 8 ora alina. Mifameno ny tenin’ny Filoha andro vitsy lasa izay nilaza fa Andriamanitra no Tompon’ny aina, sy tamin’io alarobia alina io fa noho ny ezaka natao dia tsy nisy ny aina nafoy, mahatratra 11 mantsy ireo sitrana. Mitombona hatreto ny teny vahiny :  » Aides-toi et le ciel t’aidera ». Mbola azo raisina ary mitombina ihany koa ny kabarin’ny Filoha Andry Nirina Rajoelina fa mbola tsy afaka misioka raha tsy tafavoaka ny ala. Voalaza fa olona salama tsara avokoa ireo alefa mody any amin’ny faritra izay mifanesika eny Andohatapenaka sy Fasankarana saingy mbola misy teny vahiny iray filazan’ireo profesora milaza fa misy ny  » porteur sain » amin’ity karazana valanareti-mandoza ity. Miandrandra ireo mpitsikera sy mpanohitra rehetra mba hiverina an-DOHARANO. Ny seraseram-baovao ofisialin’ny fitondrana maneran-tany dia saika voatsikera ka tsy matoky ireo Mpitondrany ireo vahoakany. Raha maro no maty tahaka ny tany Italia, France, Espagne, États-Unis dia mitsikera ny mponina fa tsy coronavirus daholo no nahafaty ireo amin’arivony maro maty fa heverin’ny vahoaka fa ataon’ny mpitondrany entina hakana fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka izany. Raha vitsy kosa no marary, indrindra ny maty amin’ny vaovao ofisialy any ivelany tahaka ny any Rosia dia maro ireo vahoaka no mitsikera fa manafim-baovao ny Fitondrany. Miantso ny mpiantsehatra amin’ny haino aman-jery, indrindra ny TVM ny Filoha mba hamoaka ireo rakintsary momba ireo faty mikararana any ivelany mba hitandreman’ny vahoaka Malagasy. Voalaza ombieniombieny fa aretina tsy ahitam-panafany sy mpandringana ity Coronavirus ity, kanefa teto Madagasikara irery ihany, raha ny vaovao ofisialy no tsy nisy maty. Sarotra noho izany ny hampihiboka ny olona noho ny fahasahiranana ara-pivelomana sy noho ny fahasitranana. Atomboka rahampitso ny raokandro andrana amin’ny ho fitsaboana ho an’ireo mararin’ny Convid19 miaraka amin’ny fanafody hafa efa nampiasaina tany amin’ny firenen-kafa. Hatsangana avy hatrany ny ivon-toerana famokarana fanafody izay mifototra amin’ny raokandro sy ravinkazo Malagasy. Manentana hatrany ho amin’ny fijanonana an-trano ho amin’ireo faritra efa nahitana coronavirus, ampirisihina hatrany hampiasa aro orona sy vava ho fiarovana ny aina sy ny fianakaviana. Ny ekipan’ny Gazette Madagascar dia mirary fahasalamana ho an’ireo tsy salama sy miarahaba ireo sitrana tamin’ny coronavirus ary midera ny ezaky Fitondrana izay mijoro tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina. Entanina koa ireo tompon’ny atidoha sy manankarena hevitra mba hifampizara izany izay antoky ny serasera entina hampandrosoana ny firenena na ny C4D. Ny Malagasy ve no mafy aina sa ny fisorohana sy ny fanafody no manambina? Fomba fiteny mantsy ny milaza fa tsy ny B. no mamo fa ny toaka no mahery.

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930