Madatopinfo

 Flash Info

USAM – SVS: Hiara-hisalahy amin’ireo mpiasa manao fitakiana

USAM – SVS: Hiara-hisalahy amin’ireo mpiasa manao fitakiana

USAM – SVS: Hiara-hisalahy amin’ireo mpiasa manao fitakiana
février 26
10:10 2022

Nifamotoana teny Ampandrianomby misy ny foiben’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika ny teo anivon’ny USAM-SVS Randrana Sendikaly sy ny solontenan’ny mpiasan’ny orinasa Kraoma na Kraomita Malagasy ny zoma 25 febroary. Foto-dian’izy ireo ny hihaona amin’ny tompon’andraikitry ny ministera saingy nandamoaka izany, nilaza mantsy ny olona nandray azy ireo fa tsy mahatapa-kevitra ary ny Praiminisitra izay misahana ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany ihany no tokony handray ny USAM – SVS sy ireo mpiasa. Isan’ireo teboka nokasain’ny roa tonta amin’ity ministera ity ny fitarainana mikasika ny tati-dainga. « Tsy marina avokoa fa lainga afafy no voarain’ny ministera isan’izany ny filazana fa mihodina ny orinasa Kraomita ary miasa ara-dalana ny mpiasa ao aminy », hoy ny fanazavana voaray. Izany no antony angatahan’izy ireo fihaonana amin’ny ministera mpiahy. Ny USAM-SVS Randrana Sendikaly sy ny mpiasan’ny Kraoma dia manamafy fa diso io tatitra io. Midika ho fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny mpiasa malagasy ny tsy fandraisana azy ireo. Tsiahivina fa ahita mpiasa manodidina ny 400 ao amin’ny orinasa Kraomita malagasy. Hatreto, mbola handinika ny tohin’ny toe-draharaha hotanterahana ireo mpiasa sy ny USAM-SVS Randrana Sendikaly. Tsy hijanona hatreo araka izany ny raharaha fa hiara-hisalahy amin’ireo mpiasa manao fitakiana ary tsy hamela azy ireo ho irery, hanohy ny tolona hatrany hoy i Barson Rakotomanga, Sekretera Jeneralin’ny USAM-SVS Randrana Sendikaly. Ny USAM-SVS rahateo mijoro hatrany rehefa misy famingavingana amin’ny endriny rehetra ny mpiasa malagasy . Antenaina ny hahazoan’izy ireo vahaolana amin’ny Praiministra mikasika ity fitakiana ity.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031