Madatopinfo

 Flash Info

OSCEAH MADAGASCAR: Nifamotoana teny Antanimena ireo mpisehatra momba ny RFF

OSCEAH MADAGASCAR: Nifamotoana teny Antanimena ireo mpisehatra momba ny RFF

OSCEAH MADAGASCAR: Nifamotoana teny Antanimena ireo mpisehatra momba ny RFF
décembre 16
06:20 2020

Notanterahana ny tapak’andron’ny talata 15 desambra teny Antanimena ny fihaonana teo amin’ny OSCEAH Madagascar (Organisation de la Société Civile Eau-Assainissement-Hygiène) niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatry ny rano fanadiovana sy fidiovana (RFF) toy ny Ministeran’ny rano, ny ONG sy ireo mpikambana OSCEAH any amin’ny Faritra. Niompana tamin’ny fandinihana ireo fomba mahomby izay nampiharina tao anatin’ny Faritra telo izy ireo nandritra izany: Alaotra Mangora, Matsiatra Ambony ary ny Faritra Analamanga. « Nosafidiana manokana ireo Faritra ireo noho ny habetsahan’ny olona ao aminy. Olona marefo sy sahirana na voahilika eo anivon’ny fiaraha-monina mba hisitraka ny RFF no tena niompan’ ny dinika », hoy ny Filohan’ny OSCEAH, Arsène Raveloson. Sokajy telo araka izany no nivoitra nandritra io fihaonana io: teo ny fametrahana sehatra iray ahafahan’ireo sokajin’olona ireo milaza ny hetahetany amin’ny lafiny rano fisotro madio. Ny faharoa kosa ny fanamafisana ny famatsiam-bola hanatanterahana ny fotodrafitrasa miompana amin’ny rano, fanadiovana ary fidiovana, ny sokajy fahatelo indray dia ny lalan-tsaina. Raha ny tarehimarika voaray, 6% na 10 tapitrisa ihany no misitraka ny fahadiovana eto amintsika, izany hoe manana lavapiringa sy tsy mangery ankalamanjana; ny 9 tapitrisa amin’ireo anefa dia any ambanivohitra avokoa. Ho tafiakatra 90% araka izany olona tsy mangery ankalamanjana intsony araka ny vinan’ny fanjakana mba ahatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy laharana faha-6 (ODD6) amin’ny taona 2030. Ho an’ny OSCEAH Madagascar izay miasa amin’ny Faritra 22 manerana ny Nosy ihany koa dia mitady ny fomba mahomby hatrany ahatrarana io tanjona io ary atolotra an’ny fitondram-panjakana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930