Madatopinfo

 Flash Info

VONTOM-PITIA ANDIANY FAHA-2: Hotanterahana mandritra ny 7 andro ny hetsika amin’ity taona ity

VONTOM-PITIA ANDIANY FAHA-2: Hotanterahana mandritra ny 7 andro ny hetsika amin’ity taona ity

VONTOM-PITIA ANDIANY FAHA-2: Hotanterahana mandritra ny 7 andro ny hetsika amin’ity taona ity
février 01
05:40 2021

Raha vao migadona tahaka izao ny volana febroary dia ao an-tsaina avy hatrany ny fetin’ny mpifankatia izay marihana isaky ny 14 febroary. Amin’ity taona 2021, nanomana hetsika goavana sy miavaka ho an’ny olon-drehetra tsy ankanavaka ny FJKM izay antsoina hoe: »Vontom-pitia ». « Herinandron’ny fanorenana sy ny fanavaozam-pitiavana » no lohahevitra noraisin’ny mpikarakara amin’ity andiany faharoa ity. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma 29 janoary lasa teo teny Ambatonakanga fa hanomboka ny 7 hatramin’ny 14 febroary izao ny hetsika Vontom-pitia andiany faharoa.
Ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely no hanatanterahana izany ny 5 andro voalohany, ny FJKM Tranovato Ambatonakanga kosa no hampiantrano ny andro faha-6 ary ny 14 febroary izay nampitondraina ny anarana hoe: « Saham-pitia » dia hotontosaina eny amin’ny Akany CFD Ampandrana. Raha ny fanazavana, isaky ny amin’ny 12 ora hatramin’ny 2 ora atoandro ny hetsika amin’ireo toerana ireo. Ahitana fampianarana sy famelabelaran-kevitra hoentin’ireo Mpitandrina sy mpanabe efa manana traikefa sy havanana amin’ny fifampitezaina tokantrano, fanambadiana mandritra ny hetsika. Ankoatra izay, hisy ihany koa fanentanana sy kilalao isan-karazany ary fanomezana maro be. « Anton’izao hetsika izao ny fahitàna fa miha mikoroso fahana ny fiainam-pianakaviana, mihamaro koa ny olana mitranga eo anivon’ny tokantrano ary betsaka ireo tanora no diso lalana satria tsy mahalala ny tena fitiavana », hoy ny Mpitandrina Razafiniarivo Fidison Maxime, Komity mpanomana ny Votom-pitia. Nomarihany moa fa tsy misy akory ny saram-pandraisana anjara amin’izany. Hiavaka araka izany ity andiany faharoa ity ary antenain’ny mpikarakara fa hitombo noho ny tamin’ny taon-dasa ny isan’ireo mpandray anjara.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930