Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA MPIARA-MAMAKY NY BAIBOLY: Hankalaza ny jobily faha-50 taona amin’ity 2021 ity

FIKAMBANANA MPIARA-MAMAKY NY BAIBOLY: Hankalaza ny jobily faha-50 taona amin’ity 2021 ity

FIKAMBANANA MPIARA-MAMAKY NY BAIBOLY: Hankalaza ny jobily faha-50 taona amin’ity 2021 ity
février 16
15:00 2021

« Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo taona izany; dia nandroso ny Tenin’Andriamanitra ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema » Lev 25:11 – Asa 6:7 no teny faneva hoentin’ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly (FMMB) manamarika ny faha-50 taonany amin’ity taona ity. Ny FMMB izay niorina tamin’ny taona 1971 ary feno 50 taona katroka amin’ity 2021 ity araka ny fampahafantarana tamin’ny mpanao gazety ny talata 16 febroary teny Antaninarenina. Nitarika izany ny Tale Nasionaly FMMB, Camille RAFALIMANANA sy ny Filoha Komity Foibe, Johny Randrianaly.
Raha ny fampahafantarana, ny alahady 21 febroary hoavy izao amin’ny 3 ora tolakandro no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely ity Jobily faha-50 taonan’ny FMMB ity. Ny 13 Jolay 2021 kosa no ivon’ny fankalazana ary hotanterahana ny 31 desambra ny famaranana ny taon-jobily. Entina hanamarihana izany dia hisy ny hetsika manodidina ny Baiboly toy ny seminera, ny fampirantiana, ny fampisehoana. Tsy diso anjara amin’izany ihany koa ny lalao, ny hetsika ara-panatanjahantena sy ny sekolibe ary ny varavarana misokatra. « Tanjona amin’izao fankalazana izao ny maha fotoam-piderana ny fetin’ny taon-jobily, eo ihany koa ny fampirisihana ny olona hamaky ny Tenin’Andriamanitra ary ny hananganana ny kristiana hitory sy hampianatra », hoy ny Filoha Nasionaly, Camille RAFALIMANANA.
Hiavaka tokoa araka izany ny fankalazana ny jobily faha-50 taonan’ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly homarihana mandritra ity taona ity.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031