Madatopinfo

 Flash Info

JIRAMA: Nitondra fanazavana mikasika ny fahatapahan-jiro ny tompon’andraikitra

JIRAMA: Nitondra fanazavana mikasika ny fahatapahan-jiro ny tompon’andraikitra

JIRAMA: Nitondra fanazavana mikasika ny fahatapahan-jiro ny tompon’andraikitra
juin 15
06:28 2022

Nisesisesy tato ho ato ny fahatapahan-jiro manerana ny toerana maro ka voakasika izany ny teto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy nipetra-potsiny nanoloana izany nefa na ny Ministera mpiahy na ny ao amin’ny orinasa JIRAMA fa mitohy hatrany ny fikaroham-bahaolana. Nitondra fanazavana mikasika izany fahatapahan-jiro izany indrindra ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny JIRAMA, ny talata 14 jona teny Ambihjatovo ambony, notronin’ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo. Isan’ny miteraka ny fahatapahan-jiro araka ny nambaran’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny JIRAMA, Rivo Radaniela fa amin’izao fotoana izao, milina 2 amin’ny 4 no miasa ao Andekaleka, milina 2 ao amin’ny toby famokarana herinaratry ny Symbion Power no misy fahasimbana. Fanampin’izany, milina Aksaf Power iray ihany koa no tsy mandeha ary tsy mahatratra ny heriny ara-dalàna ny vokatra herinaratra toa an’i Sahanivotry, Farahantsana, Ambatolampy noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. « Hofehezina araka izany ny fahatapahan-jiro, tanjona mantsy ny tsy hisian’ny fikorontanana amin’ny famatsiana herinaratra ary hampirindra izany », hoy hatrany ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA. Hisy ny rindran-damina hoentin’ity orinasan-jiro sy rano ity momba izany, voaresaka ny tsy tokony hisian’ny fahatapahan-jiro mihoatra ny adiny 3 isan’andro raha ny eto Antananarivo sy Antsirabe ary tsy tokony ahitana « délestage » indroa isan’andro, raha tsy mihoatra ny 4 ora kosa izany ho an’ny tanàna kely. Raha ny eny amin’ny topi-pahasalamana sy ny hopitaly na CTC izay voasokajy isan’ny laharam-pahamehana, dia tsy hisy izany fahatapahan-jiro izany. Fanamby apetraky ny JIRAMA ny hanafaingana ny ezaka eo anivon’ny orinasa ary hampiroborobo ny fampiasana angovo azo havaozina izay hahatratra 60 isan-jato. « Tsy maintsy ampiakarina ihany koa ny fidiram-bola eo anivon’ny JIRAMA amin’ny alalan’ny ady amin’ny halatra, ny fitsitsiana sy ny fampihena ny fandanindaniam-poana », hoy i Rivo Radaniela. Nivoatra nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly, ihany koa fa handeha ara-dalàna ny herinaratra mandritra ny fankalazana ny Fetim-pirenena, ny 25 sy ny 26 jona hoavy izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930