Madatopinfo

 Flash Info

ANALALAVA: Fitondrana mamaha olana, vahoaka mandray andraikitra

ANALALAVA: Fitondrana mamaha olana, vahoaka mandray andraikitra

ANALALAVA: Fitondrana mamaha olana, vahoaka mandray andraikitra
août 24
14:55 2021

Miara-misalahy ireo olom- boafidy sy voatendry ao amin’ ny Distrikan’ Analalava. Manatanteraka fitetezam- paritra nanomboka tamin’ ny 08 aogositra 2021 izy mba hanantonana misimisy kokoa ny vahoaka, hanampiana azy ireo. Ny sampan- draharaha rehetra no miara- midina ka maro ny asa efa notanterahina tamin’ ny toerana izay efa notsidihin’ izy ireo, toy ny fanamboarana kopia sy karapanondrom- pirenena. Tamin’ izany no nahita fa misy olona efa 50- 40 taona mbola tsy manana kopia nahaterahany. Ho an’ ireo izay efa ampy taona dia andron’ iny ihany koa dia nahazo ny karapanondro. Teo ihany koa ny fanomezana karatra maha mpanjono ho an’ ireo misehatra amin’ io sehatr’ asa io, sy nanomezana laharana ny lakana izay ampiasaina amin’ ny jono. Izany no natao mba hampanarahan- dalana sy ho fitsinjovana ny mpanjono. Nampahafantarina ihany ny tantsaha ihany koa ny fisian’ ny famatsiam- bola anampian’ ny fanjakana, mety ho azon’ ny tantsaha amin’ ny seha- pambolena. Nanatanteraka fizahana marary sy fora- zaza maimaimpoana ihany koa . Ny fanentanana ny Ray aman- dReny hiatrika sahady ny taom- pianarana vaovao dia natao tamin’ ny fotoana io ihany koa. Santionany ireo fa raha fehezina dia samy nahazo izay tandrify azy ny tamin’ ny toerana izay efa nolalovana ary tsy ho diso anjara amin’ izany koa ireo mbola hotsidihina.
Ao anatin’ ny fidinana ifotony toy izao ihany koa no ampahafantaran’ ny solombavambahoaka ny asa izay ataon’ izy ireo ary ihainoany ny tarainan’ ny vahoaka hijerena ny lalàna tokony hasiam- panitsiana mba hifanaraka amin’ ny fiainam- bahoaka araka ny zava- misy. Raha niresaka mahakasika ny dinan’ ny malain- kalatra na Besaboha ny solombavambahoaka voafidy tao Analalava, sady « juriste de formation administration civil en chef de classe exceptionnelle » Djaosera Irénée dia nanambara fa io ihany no fanalahidy mba hampisy ny fandriam- pahalemana maharitra. Ary henjehin’ ny lalàna manan- kery izay manitsakitsaka ny dina. Manana fahefana feno ireo komity eny ifotony ka izay olana rehetra tokony ho voavaha eny ifotony dia ao ihany no amahana azy. Ampanetren- tena ihany koa no nilazany fa tao amin’ ny Distrikan’ Analalava no niandohan’ ny Besaboha izay nampisy filamina tokoa ka hisy ny fetin’ ny dina izay hananganana ny tsangambaton’ ny dina sy hanasinana azy amin’ ny 23 – 24 septambra mba hamohazana ihany koa ny kolontsaina izay somary efa latsa- danja ankehitriny.
Ny Kaominina 15 mandrafitra ny Distrikan’ Analalava dia ho tetezina avokoa ka tsy hifarana ny fitetezam- paritra raha tsy any amin’ ny 09 oktobra 2021 any.  » Fanjakana mamaha olana, vahoaka mandray andraikitra » io no teny fanentanana amin’ izao asa atao izao.
Hery Nomena

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930