Madatopinfo

 Flash Info

FIARAHA-MIASAN’NY VVA SY GFSA: Ambohimanambola no toerana hisitraka ny tetikasa fanodinana fako ho lasa zezika

FIARAHA-MIASAN’NY VVA SY GFSA: Ambohimanambola no toerana hisitraka ny tetikasa fanodinana fako ho lasa zezika

FIARAHA-MIASAN’NY VVA SY GFSA: Ambohimanambola no toerana hisitraka ny tetikasa fanodinana fako ho lasa zezika
novembre 20
07:49 2021

Tsy voatanisa ireo voka-dratsy ateraky ny fiparitahan’ny fako eny rehetra eny tahaka ny fahalotoan’ny tontolo iainana, aretina isan-karazany. Raha ny eto Antananarivo manokana, manodidina ny 30 taonina isan’andro ny fitambaran’ny fako mivoaka amin’ny tokantrano tsirairay. Ho vahaolana amin’izany, misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Vetso Velo Association (VVA) sy ny Gasy Foresty Student’s Association (GFSA) izay nomena ny anarana hoe: “Aim-baovao”. Noraketina tamin’ny alalan’ny fifaovan-tsonia teny Isoraka izany fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta izany. Miompana amin’ny fizarana traikefa sy fifanohanana amin’ny tetikasa ho an’ireo tantsaha izany ka ny Kaominina Ambohimanambola no nosafidian’izy ireo hisitraka ny tetikasa noho izy toerana mamokatra sy betsaka mpamboly. “Ny karazam-pakon’ny mponina ao an-tokantrano no angonina ao amin’ireo daba voatokana amin’izany, avy eo iny ihany no ahodina ho lasa zezika ary zaraina maimaim-poana ho an’ny tantsaha ampiasaina amin’ny fambolena”, hoy i Soafara Wendy Rakotomahanina, mpikambana ao amin’ny VVA. Ny Gasy Foresty Student’s Association izay tarihin’ny Filohany Estella Rovaniaina Andrianirinamanana moa dia fikambanana mpianatra momba ny ala sy ny tontolo iainana. Niforona tamin’ny taona 2019 ity fikambanana ity ary isan’ny tanjony ny fifampizarana traikefa eo am mpianatra na ireo efa mpisehatra ao anatin’ny tontolo iainana. Maneva Velo indray kosa no Filohan’ny Vetso Velo Association izay niforona tamin’ny 2020, misehatra amin’ny fampandrosoana lovainjafy eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy izy ireo ary tanora avokoa ny mpikambana ao aminy. Antenaina hampivoatra ny fari-piainan’ny mponina ao Ambohimanambola araka izany ny fisian’ity tetikasa “Aim-baovao” ity indrindra amin’ny lafiny famokarana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930