Madatopinfo

 Flash Info

ALLEES DES BAOBABS MORONDAVA: Zanakazo zanatany miisa 1960 no voavoly

ALLEES DES BAOBABS MORONDAVA: Zanakazo zanatany miisa 1960 no voavoly

ALLEES DES BAOBABS MORONDAVA: Zanakazo zanatany miisa 1960 no voavoly
mars 10
10:36 2024

Toerana iray ahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara ny Faritra arovana « Allée des baobabs » ao Morondava, Faritra Menabe. Mirefy 320 hektara ity valanjavaboahary ity ary ao anatin’ny Faritra arovana sokajy fahatelo antsoina hoe « tahirim-bakoka voajanahary« . Mihoatra ny 7 000 isa ireo reniala lehibe maniry ao ary ny fikambanana Fanamby no mpitantana azy.
Ao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fiainana no nanatanterahana fambolen-kazo tao amin’ny « Allée des baobabs » izaynotarihan’ny Ministra Max Andonirina Fontaine, ny Governoran’ny Faritra Menabe ary ireo mpiara-miombon’antoka eo anivon’ny Faritra. Zanakazo zanatany miisa 1960 no voavoly izay nahitana Reniala, Voamboana, Mafay ary Anakaraka ny herinandro lasa teo.
Misitraka tombony ara-pivelomana sy ara-toekarena amin’ny firoboroboan’ny fizahan-tany ao amin’ity valanjavaboahary ity ireo mponina eny ifotony. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy ao Menabe, ny fikambanana Fanamby, ny KMMFA (Komity mpiaro sy Mpanaramaso ny faritra arovana) ary ireo mponina eny ifotony dia tsy nahitana firehetana ny tao amin’ny Allée des baobab nanomboka ny taona 2017.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930