Madatopinfo

 Flash Info

CB TO MVOLA: Afaka misitraka ny servisy ny mpanjifa eto Madagasikara na any ivelany

CB TO MVOLA: Afaka misitraka ny servisy ny mpanjifa eto Madagasikara na any ivelany

CB TO MVOLA: Afaka misitraka ny servisy ny mpanjifa eto Madagasikara na any ivelany
avril 03
07:10 2021

Tsy mitsaha-mivoatra hatrany ny Mvola hatramin’izay nisiany izay ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Ankehitriny, efa misy ny tolotra ahafahan’ny mpanjifa Mvola mikirakira ny kaonty an-tambazotra amin’ny alalan’ny kaontiny amin’ny banky na « CB to Mvola ». Tombony ho an’ny mpanjifa amin’izany ny ahafahan’izy ireo misitraka ny servisy Mvola na eto Madagasikara na any ivelany saingy mila karatra banky VISA na Mastercard fotsiny. Ho fidirana amin’ity tolotra ity, azon’ny mpanjifa atao ny manokatra ny tranokala www.mvola.mg ary manindry ny « CB to MVola » ary ao no manatanteraka ny fisoratana anarana maimaim-poana, mila ny adiresy mailaka sy ny laharan’ny karatra banky izany. Aorian’ny fisoratana anarana, afaka misitraka avy hatrany ny servisy ny mpanjifa. Misy araka izany ny fanamarihana ao amin’ny mailakan’ny mpandefa. Ankoatra izay, tsy voatery manatona eny amin’ny masoivoho ny mpanjifa ary tsy mila kaody raha toa haka vola. Misy « sms » voarain’ny mpandefa mikasika ny vola nalefa nokirakirainy too amin’ny kaontu ho fanamarihana izany. Manala fahasahiranan’ny mpanjifa amin’ny fivezivezena ny fisian’ny tolotra « CB to Mvola » ary azo antoka hatrany.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031