Madatopinfo

 Flash Info

MARIE STOPES MADAGASCAR: Nanamarika ny faha-30 taona niaraha-niasa tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamana

MARIE STOPES MADAGASCAR: Nanamarika ny faha-30 taona niaraha-niasa tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamana

MARIE STOPES MADAGASCAR: Nanamarika ny faha-30 taona niaraha-niasa tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamana
juin 27
14:30 2023

Fotoana nametraka ho tantara eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana ny zoma 23 Jona lasa teo, noho ny fanamarihana ny faha-30 taonan’ny Marie Stopes Madagascar «Zaza niriana, saina milamina» izay notanterahana teny amin’ny Carlton Anosy ary natrehan’ny Masoivohon’i Royaume-Uni, David William Ashley. Notanterahana tamin’io ihany koa ny lanonana ofisialy nanamarihana ny fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny MSM nandritra izay 30 taona izay. Tsiahivina fa tamin’ny taona 1992 no nanomboka ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Maro ireo vokatsoa azo nandritra izany, na teo amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza izany, na teo amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, teo ihany koa ny fanabeazana ara-pananahana ny tanora. Raha ny tatitra voaray, misandrahaka manerana ny Faritra 23 sy Distrika 114 manerana ny Nosy ny MSM, mihoatra ny 4 tapitrisany vehivavy sy lehilahy nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana avy amin’ny Marie Stopes Madagascar raha manodidina ny 12 tapitrisa kosa ireo malagasy nampiasa ny fandrindrana fiainam-pianakaviana. 40.000 mahery ireo vehivavy nahazo tolotra ahafahany miteraka azo antoka, mihoatra ny 40.000 ihany koa ny vehivavy voatily sy nanaraka fitsaboana momba ny homamiadan’ny tranon-jaza tao anatin’izay 30 taona izay. Ankoatra izay, noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny ministera sy ny MSM hatrany, manodidina ny 2.000 ny mpisehatra sy mpiasan’ny fahasalamana nanaraka fiofanana. « Mifanindran-dalana amin’ny politikam-panjakana, Velirano fahadimy izay manambara ny fahasalamana ho an’ny daholobe tsy hanavahana sokajin-taona, sy ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) fahatelo izao fiaraha-miasa amin’ny MSM izao», hoy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Zely Arivelo Randriamanantany. Ampirisihana hatrany, hoy izy, ny Marie Stopes Madagascar hanohy ny ezaka efa nataony hatramin’izay, ohatra amin’izany ny fanampiana ireo vehivavy hiatrika fiterahana mba hampihena ny tahan’ny reny maty eo am-piterahana. Raha ny tanjona hatramin’ny taona 2030 mantsy, tokony vehivavy latsaky ny 70 ao anatin’ny 100.000 miteraka no mety hotratran’izany. Nohamafisin’ny Ministra fa tamin’ny roa taona lasa, nisy ny hetsika nanambarana ny tanjon’izao tontolo izao dia ny 60 isan’ny vehivavy miaina ao natin’ny fahasalamana ara-pananahana noisitrakany fandrindram-piterahana maoderna. Ho an’i Madagasikara manokana, efa mananika ny 55% no efa tratra noho ny fifanomezan-tanana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930