Madatopinfo

 Flash Info

ADY AMIN’NY COVID-19: Nitondra ny anjara birikiny ny Orange Solidarité Madagascar

ADY AMIN’NY COVID-19: Nitondra ny anjara birikiny ny Orange Solidarité Madagascar

ADY AMIN’NY COVID-19: Nitondra ny anjara birikiny ny Orange Solidarité Madagascar
juin 17
06:30 2020

Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahamehana ara-pahasalamana hiadiana tanteraka amin’ny areti-mandripaka Coronavirus isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao . Manoloana izany, tsy nitazam-potsiny ny Orange Solidarité Madagascar fa nandray anjara mavitrika ka nitondra ny anjara birikiny avy hatrany. Raha ny tamin’ny fanampiana andiany teo aloha, niantefa bebe kokoa tamin’ny tobim-pahasalamana sy hopitaly ny fanomezana natolotr’izy ireo fa tamin’ity andiany manaraka ity kosa dia nahazo ny anjarany mivantana ny mpisehatra eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana eto Antananarivo, any Toamasina sy Moramanga. Tsy adinon’ny Vondrona Orange ihany koa teto ny mpitandron’ny filaminana izay isan’ireo mifanerasera mivantana amin’ny olona maro toy ny fisavana fiara sy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Notanterahana ny talata 17 jona teny amin’ny CCO Ivato ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy izany fanampiana natolotry ny Orange Solidarité Madagascar izany. Fitaovam-piarovan-tena toy aro-tava sy aro-tanana manaraka ny fenitra ara-pahasalamana, « gel désinfectant » sy ny maro hafa moa ireo fanomezana natotry ny Orange Solidarité Madagascar omaly ireo. Tonga nanotrona io fotoana io teny an-toerana moa ny ministry ny atitany sady Lehiben’ny CCO Ivato, Tianarivelo Razafimahefa; nanatrika izany ihany koa ny ministry ny fahasalamana sy ny ministry ny filaminam-bahoaka ary ireo tompon’andraikitra ambony maro avy eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny zandarmaria ary ny teo anivon’ny orinasa Orange izay notarihan’ny Tale Jeneraliny, Michel Degland sy ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma. Raha ho an’ny zandarmariam-pirenena manokana dia nanambara ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmaria, Jeneraly Richard Ravalomanana nandritra ny fanoloran’ny Orange Solidarité Madagascar azy ireo ny fitaovana teny Betongolo fa mariky ny fitokasana ny zandary izao fihetsika ataon’ny orinasa Orange izao ary nankasitraka izany ny tenany tamin’ny alalan’ny fanolorana mari-pankasitrahana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930