Madatopinfo

 Flash Info

WAKA WAKA FESTIVAL: Hotanterahana ny 10 ka hatramin’ny 13 Aogositra ho avy izao ny andiany faharoa

WAKA WAKA FESTIVAL: Hotanterahana ny 10 ka hatramin’ny 13 Aogositra ho avy izao ny andiany faharoa

WAKA WAKA FESTIVAL: Hotanterahana ny 10 ka hatramin’ny 13 Aogositra ho avy izao ny andiany faharoa
juillet 08
15:59 2023

Hiditra amin’ny andiany faharoa amin’ity taona ity ny hetsika iraisampirenena antsoina ho: « Waka waka fetsival Madagascar 2023 » izay hotontosaina any amin’ny renivohitry ny lavanila, Kaominina Sambava, Faritra SAVA. Raha ny nampahafantarina nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Campus Andraharo, ny 10 ka hatramin’ny 13 Aogositra ho avy izao no hanatanterahna izany. « Raha nifantoka kokoa tamin’ny fananganana sekoly ambaratonga fototra miankina amin’ny fanjakana na EPP ny hetsika tamin’ny andiany volohany, amin’ity taona ity kosa dia hiompana amin’ny fanamboarana trano fiterahana», hoy ny Ben’ny Tanàna eo anivon’ny Kaominina Sambava, Judicaël Ramangalaza. Hahazo tombony ny ankizy amin’ity amin’ny maha fialantsasatra lehibe ny fotoana noho ny fisian’ny Waka Waka kids, mini-marathon, diabe ary eo ihany koa ny fifaninanana hatsaran-tarehy amam-bika arahina fampisehoana, fanentanana sy lalao maro samy hafa. Hanafana ny Waka waka festival ny fandraisan’ireo mpanakanto avy ao an-toerana sy Faritra hafa ary indrindra koa ireo artista iraisampirenena toa ny tarika Mikidache avy ao Mayotte. Eo ambany fiahian’ny ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, ny andiany faharoa amin’ny Waka waka festival, hiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. «Miaraka amin’ny Waka waka festival ny Telma Madagascar, izay hestika miompana amin’ny kolontsaina sy sosialy ho amin’ny fananganana ny trano fiterahana», hoy ny Talen’ny serasera eo anivon’ny Telma, David Calnel. Ny Telma sy ny MBalik rahateo dia isan’ireo mpanohana ity hetsika ity.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930