Madatopinfo

 Flash Info

INSCAE SY YALI: Hifanome tanana hampiroborobo ny sehatry ny fandraharahana ny roa tonta

INSCAE SY YALI: Hifanome tanana hampiroborobo ny sehatry ny fandraharahana ny roa tonta

INSCAE SY YALI: Hifanome tanana hampiroborobo ny sehatry ny fandraharahana ny roa tonta
octobre 21
04:05 2020

Taorian’izay krizy ara-pahasalamana natrehan’i Madagasikara amam-bolana maro izay, isan’ireo nisedra fahasahiranana goavana ny mpandraharaha madinika. Izany indrindra no nahatonga ny INSCAE (Institut National des Sciences Comptables et de l’Admininistration d’Entreprises) sy ny YALI Chapter Madagascar nikaon-doha ary nanapa-kevitra fa hanolotra fiofanana sy fanamafisam-pahalalana ho azy ireny. Tontosa ny talata 20 Oktobra teny amin’ny 67Ha ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa mikasika izany teo amin’ny roa tonta, ny Tale Jeneralin’ny INSCAE, Harimino Rakoto sy ny Country Coordinator Yali Chapter, Hery Zo Andriamiarana. Hifantoka misimisy kokoa momba ny fitantanana amin’ny lafiny fandraharahana sy fitarihana na « leadership » izany fiofanana sy fifampizarana traikefa izany indrindra ho an’ireo tanora mpandraharaha. « Tanjon’ny roa tonta amin’izao fiaraha-miasa izao ny hampiroboroboana ny fampandrososana ny sehatry ny fandraharahana eto amintsika », hoy ny Tale Jeneralin’ny INSCAE. Haharitra 2 na 3 andro moa io fiofanana izay hotanterahana io ary ny eo anivon’ny INSCAE 67Ha no hampiantrano sy hanohana ara-pitaovana mandritra izany. Hitohy mandritra ny roa taona kosa ity fiaraha-miasa eo amin’ny INSCAE sy YALI ity ary antenaina hitondra fiovanana eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena manontolo ny fisian’izao tetikasa izao.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031