Madatopinfo

 Flash Info

FANATSARANA HATRANY IFOTONY AN’NY ZAIMAIKA : «Narodana tanteraka ny tafo vaovao noho ny rindrina mangozohozo »

FANATSARANA HATRANY IFOTONY AN’NY ZAIMAIKA : «Narodana tanteraka ny tafo vaovao noho ny rindrina mangozohozo »

FANATSARANA HATRANY IFOTONY AN’NY ZAIMAIKA : «Narodana tanteraka ny tafo vaovao noho ny rindrina mangozohozo »
janvier 06
15:20 2021

Indro havaoziko ny zavatra rehetra!”. Io no mahalaza ny fanamboarana tanteraka hatrany ifotony indray ny trano fivarotana hani-masaka eo Ambodifilao. Araka ny fampitam-baovaon’ny tomponandraikitra mpanangana indray an’ny Zaimaika Analakely, na efa nosolona tafo fanitso matevina aza ny teo aloha izay nirodana, dia nilaza ho tsy mandry ny tsikalam-pieritreretan’ny mpandrafitra sy ny mpitarika ireto farany raha tsy arodana indray izany. Voalaza mantsy, araka ny fampitam-baovaon’ny “association Miel” hatrany ho amin’ny mpanao gazetinay, ny tolakandron’ny alarobia ny 6 Janoary farany teo, fa misy efa lo tanteraka ireo rindrina izay andry iankinan’ny tafo. Vao kapohina ireo lalotra dia mipoaka lasa lavitra tahaka ny voan’ny homamiadana ny rindrina, miparitaka avy hatrany koa ireo vy efa arafesina any anatiny ka lasa miantehatra amin’ny andry boboka, hoy hatrany ny mpanangana fotodrafitr’asa. Tsy vitsy amin’ireo mpandalo manao tazan-davitra mantsy no gaga fa ravaina indray ny tafo efa narafitra.
Tsy misy vato mifanongoa

Matsoko loha fa tsy mandry tahaka ny teo aloha ny fandrin’ny tafo izay ho avy eo. Voalaza fa arodana hatrany amin’ny tany indray io tsena izay efa natsangana nandritra ny fihobohana io. Efa mihatrana avokoa ireo tsato-kazo hitondra ny rihatra simenitra ombana vato madinika sy fasika nolaroina. Ireo “box” moa na efa nolalorina aza dia horavana avokoa ka tsy hisy vato mifanongoa. Manamafy hatrany ny tomponandraikitry ny fanavaozana an’ny Zaimaika fa taona maro na taon-jato mihitsy ho lovain-jafiafy no tanjona ho faharetan’ity vakoka an’Antananarivo Renivohitra ity. Tsy afaka anapenana lamba tonta, ny lamba vaovao, hoy hatrany izy ireo. Izay hampanarapenitra azy tanteraka ho endrik’Antananarivo no katsahina, hoy ny injeniera. Volana vitsy sisa no isaina dia hotokanana ity trano lehibe fivarotana sakafo mihaja ity. Miroso hatrany amin’ny fanatsarana an’Antananarivo Renivohitra moa ny Ben’ny Tanana, Naina Andriantsitohaina sy ny Fitondrana izay mijoro tarihin’ny Filoha Andry Nirina Rajoelina. Saingy ny Renivohitra tsy vita indray andro, araka ny ohabolam-bazaha.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930