Madatopinfo

 Flash Info

FI.TA.FI MADAGASIKARA: Nizara fanomezana maro ho an’ny Centre FIFASAF Antanimenakely

FI.TA.FI MADAGASIKARA: Nizara fanomezana maro ho an’ny Centre FIFASAF Antanimenakely

FI.TA.FI MADAGASIKARA: Nizara fanomezana maro ho an’ny Centre FIFASAF Antanimenakely
décembre 14
06:09 2020

Andro maromaro sisa no isaina dia higadona ny 25 desambra hankalazana ny fetin’ny Noely, andro hifampizarana sy hifananomezan-tanana. Izany indrindra no nahatonga ny fikambanana FITAFI Madagasikara (Firaisankinan’ny Tanora Andrin’ny Firenena) nanokana ny 12 desambra lasa teo ho fotoana hampifalifaliana ireo olona sahirana ao amin’ny Centre FIFASAF na Fikambanana fanampiana ankizy sahirana amin’ny fianarana ao Antanimenakely Ampitatafika. Nitsidika io Ivontoerana io sy nizara fanomezana maro izy ireo nandritra izany toy ny lamba fitafy ho an’ireo ankizy 6 hatramin’ny 17 taona manodidina ny 40 mianadahy. Noho ny fiaraha-misalahin’ity fikambanana ity niaraka tamin’ny Masoivoho Suisse eto Madagasikara, Andriamatoa Chasper Sarott ihany koa dia nisitraka fanomezana ireo fianakaviana sahirana miisa 15 eo anivon’ny Centre. Samy nahazo vary 1 kg sy menaka 1 litatra ary siramamy 1 kilao avy izy ireo tamin’izany.

« Nosafidiana manokana ny FIFASAF tamin’ity andiany voalohany ity noho izy miahy ireo ankizy sahirana eo anivon’ny tanàna misy azy ary tanjona ny hitovian’ny ankizy rehetra amin’ny hafa indrindra amin’izao fetin’ny Noely izao . Izany no tanteraka moa dia teo ny fiaraha-miasa tamin’ny Masoivoho Suisse miasa eto amintsika ary mbola hitohy hatrany izany », hoy ny Filoha Nasionalin’ny fikambanana FITAFI, Toria Dimbiniaina. Ny Masoivoho Chasper Sarott ihany koa dia nanamafy ny fahavonony amin’ny fanomezan-tanana hatrany amin’ny hetsika tahaka izao ary nankasitraka sy nampirisika ny tanora mpikambana FITAFI ny tenany amin’izao fahafohizan-tena nasehon’izy ireo izao.
Ny mpikambana FITAFI teto Antananarivo moa nanatanteraka ny fizarana tamin’io fotoana io ary fantatra fa hanohy ny hetsika fizarana ihany koa ny any amin’ny Faritra ato ho ato. Ity fikambanana ity rahateo efa misy rantsamangaika amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy hatramin’izay 5 taona nijoroany izay.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930