Madatopinfo

 Flash Info

BORIBORINTANY I SY IV: Tokantrano 900 no hisitraka ny tetikasa toeram-ponenana mendrika eto an-drenivohitra

BORIBORINTANY I SY IV: Tokantrano 900 no hisitraka ny tetikasa toeram-ponenana mendrika eto an-drenivohitra

BORIBORINTANY I SY IV: Tokantrano 900 no hisitraka ny tetikasa toeram-ponenana mendrika eto an-drenivohitra
septembre 23
17:30 2021

Notanterahina ny alakamisy 23 septambra teny Anosy ny fanombohana ofisialy ny tetikasa « toeram-ponenana mendrika ho an’ny rehetra » izay hotanterahin’ny fikambanana Fonenana Mendrika amin’ny alalan’ny mpamatsy vola Fondation Abbé Pierre sy ny AFD. Araka ny fampahafantarana, entina manavao ny trano fonenana any amin’ireo faritra honenan’ny maro an’isa ity tetikasa ity. Tokantrano manodidina ny 900 kosa no hisitraka izany eto Antananarivo renivohitra ary ahitana Fokontany 10. Ho an’ny Boriborintany voalohany, ao Antohomadinika FAAMI, Antohomadinika Afovoany, Antohomadinika III G, Manarintsoa Afovoany ary Manarintsoa Atsinanana; ny ao amin’ny Boriborintany fahaefatra indray dia ahitana ny Fokontany Anosibe Andrefana I, Anosibe Andrefana II, Mangandrombato I, Ambohibarikely ary Ivolaniray. Raha ny fanazavana, misy amin’izy ireo no hisitraka amin’ny ampahany ny fanavaozana, misy ihany koa ny fanatsarana manontolo ny trano fonenana arakaraka ny tranga. Isan’ny tanjon’ny fikambanana Fonenana Mendrika amin’ity tetikasa ity araka izany ny fanohanana ny fanorenana ny toeram-ponenana sahaza ho an’ny rehetra, eo ihany koa ny fananana paikady fampandraisana anjara ny rehetra sy ny tetikasa tsara tantana. Haharitra 36 volana moa ny faharetan’ny tetikasa « toeram-ponenana mendrika ho an’ny rehetra ».

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031