Madatopinfo

 Flash Info

TSENA ANDRAVOAHANGY : Lasa nivarotra ravintsara sy sakafo ireo very asa sy ny mpivaro-damba

TSENA ANDRAVOAHANGY : Lasa nivarotra ravintsara sy sakafo ireo very asa sy ny mpivaro-damba

TSENA ANDRAVOAHANGY : Lasa nivarotra ravintsara sy sakafo ireo very asa sy ny mpivaro-damba
juillet 14
05:50 2020

« Tsy vitsy amin’ireo mpivaro-damba tonta sy vao ary ny very asa no nivadika nivarotra sakafo na ravintsara sy kininimpotsy, indrindra amin’izao fihobohana izao. » Hoy i Jean Richard Rakotomalala, lehiben’ny tsena Andravoahangy. Ireo rahateo no varotra azo atao anaty fihobohana. Fantatra mantsy araka ny toromarika hiadiana amin’ny valanaretina coronavirus fa ny mpivarotra sakafo sy ny zavatra ilaina fototra andavanandro na PPN no nahazo alalana, indrindra mandritra izao fihobohana tanteraka izao. Anisan’ny nahazo laka ny ravinkazo fanao evoka tahaka ny ravintsara sy kininimpotsy ary ny voasary.
«Ny 90% an’ny mpivarotra eto Andravoahangy dia mpivarotra fangaron-daoka na « légume » avokoa izay any ivelan’ny tsena no manatanteraka izany. Araka ny toromarika avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA mantsy dia mbola tsy manala ny mpivarotra amoron-dalana ny ety Andravoahangy, fa kosa manisaka izay rehetra mibahana ny fifamoivoizana .» Hoy hatrany ity lehiben’ny tsena ity.
Marihina moa fa ny alakamisy 9 jolay teo izay nidinan’ny mpanao gazetinay teny an-toerana, sahabo ho tamin’ny 11 ora dia niantso mpitandro filaminana maro ireo mpiandraikitra ny fandaminana ny tsena fa tsikaritra nitombo izay tsy izy ny mpivarotra ireo lamba sy kojakojan-tokantrano raha ampintahaina ny telo andro voalohany. Nanome anjomara ihany koa ny CUA izay hampanenoana rehefa fotoana fangoronana ny entan’ny mpivarotra.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930