Madatopinfo

 Flash Info

HAKANTO COTEMPORARY ANKADIMBAHOAKA : Tanora 4 mianadahy no hampiranty ny sanganasany mandritra ny 2 volana

HAKANTO COTEMPORARY ANKADIMBAHOAKA : Tanora 4 mianadahy no hampiranty ny sanganasany mandritra ny 2 volana

HAKANTO COTEMPORARY ANKADIMBAHOAKA : Tanora 4 mianadahy no hampiranty ny sanganasany mandritra ny 2 volana
septembre 03
07:55 2022

 » Ilay tanana vaovao « , io no lohahevitra nosafidiana mandritra ny fampirantiana sary izay tanterahana etsy amin’ny Hakanto Cotemporary, Alhambra Ankadimbahoaka manomboka ny amin’ny fomba ofisialy ny tolakandron’ny sabotsy 3 septambra, ary hitohy mandritra ny 2 volana izany araka ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notanterahana teny an-toerana ny alakamisy lasa teo. Hiavaka tanteraka, miala amin’ny mahazatra ny maso no hita mandritra ity hetsika fampirantiana ity, tanora 4 mianadahy vao herontrerony mantsy no hitondra ny talentany ho fantatry ny malagasy, na ny vahiny ihany koa aza. I Rose Kely Ranarivelo, 18 taona izay hampiseho ny talentany amin’ny alalan’ny akora vita amin’ny hazo, tanimasaka, hosodoko, lamba ary nampitondrainy ny anarana hoe : « Tsarasaotra ». Eo ihany koa i Sanka, hampiranty ireo sary vita tanana izay manasongadina ny maso, notsongainy manokana ny fijerin’ny ankizy, izany indrindra no nosafidianany ny hoe « Ireto maso mijery ahy mibanjina anao mampitamberina ny lasa ny vita nataonao ».
Hiompana amin’ny tontolon’ny fikirakirana vy kosa i Fitiavana Ratovo ary mitondra ny lohateny hoe « Iray lalana » ny sanganasany mandrotra izany. Horonantsary fohy ao anatin’ny 1 minitra sy 46 segondra no hamoahan’i Andy Rasoloharivony, tovolahy avy any amin’iny Faritanin’i Fianarantsoa iny, ny sanganasany ao anatin’ilay hoe : « Ny fahamaizan’ny finoana », mampiseho ny asa vitany izany ary fitaovana toy ny hazo biriky, simenitra, tany no nokirakirainy. Joel Andrianomearisoa sy Rina-Ralay-Ranaivo kosa no mitarika ny fampirantiana. Marihana fa tsy vao izao akory no misy fampirantiana tao amin’ny Hakanto Cotemporary, Alhambra Ankadimbahoaka fa efa maro ny hetsika izay notanterahana tao an-toerana toy ny « Beyond all you are mine », « Ny Fitiavanay, Our Love, Notre Amour », « Ramily ilay nanao ny maraina ». Ny Hakanto Cotemporary izay tohanan’ny Fonds Yavarhoussen tarihan’ny Filohany Hasnaine Yavarhoussen rahateo manome lanja aman-kasiny ny sehatry ny kolontsaina ary mampiroborobo sy manandratra izany hatrany.

Mickah R.

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930