Madatopinfo

 Flash Info

SEKOLIM-PANJAKANA AO AMPANEFY : Betsaka ankizy te hianatra saingy tsy ampy mpampianatra sy dabilio

SEKOLIM-PANJAKANA AO AMPANEFY : Betsaka ankizy te hianatra saingy tsy ampy mpampianatra sy dabilio

SEKOLIM-PANJAKANA AO AMPANEFY : Betsaka ankizy te hianatra saingy tsy ampy mpampianatra sy dabilio
juillet 29
16:30 2023

Tandindomin-doza ny fanabeazana fototra. Mampitaraina ny tompon’andraikitra eo anivon’ny EPP Isaingy ao amin’ny Kaominina Ampanefy, Distrika Atsimondrano ny tsy fahampian’ny isan’ny mpampianatra ao amin’ny sekoly. Tamin’ny taom-pianarana 2022-2023 raha ny angom-baovao voaray, mpampianatra iray misahana mpianatra manodidina ny 75. Araka ny tatitra, mitotaly 406 ny ankizy manovo fahalalana ao amin’io sekoly io, ny 60 isan-jaton’izy ireo vehivavy avokoa, ny roa amin’ireo mpianatra kosa no manana fahasembanana tao amin’ny kilasy voalohany. Mpampianatra 10 no mitàna kilasy eo anivon’ny EPP Isaingy, ny 7 amin’izy ireo no efa mpiasam-panjakana raha ny 3 ambiny kosa mpampianatra FRAM. Tao anatin’ny roa taona, hoy ny mpiandraikitra voalohany ao amin’ny EPP Isaingy, mpampianatra anankiroa no nandeha nisotro ronono, mbola tsy nisy solony izy ireo hatreto. Vokany, voafetra ny isan’ny mpianatra voaray ao amin’ny EPP Isaingy na mbola maro aza ireo raiamandreny maniry ny hampiana-janaka ao. Ankoatra ny tsy fahampian’ny mpampianatra, olana sedrain’ny EPP Isaingy ihany koa ny fitaovam-pampianarana. Malalaka ny efitrano fianarana ao amin’ny sekoky iadidian’ity Tale ity, fa tsy mahasahana ny isan’ny mpianatra ny dabilio ka nanjary voafetra ny toerana. Velon-taraina manoloana izany ny raiamandreny sasany monina eny amin’ny Fokontany Isaingy, isan’izany i Sahondra Razaiharisoa, raimandrenin’ny ankizy monina eny an-toerana : « tsy rariny ity famerana ny isan’ny mpianatra tao amin’ny EPP Isaingy ity, zara aza mantsy misy ny sekolim-panjakana hahafahan’ny olona mampiana-janaka noho ny fahalafosan’ny saram-pianarana any amin’ny sekoly tsy miankina kanefa dia nisy ny tsy voaray tamin’iny taom-pianarana 2022-2023 iny ».

Vesatra ho an’ny raiamandreny sasany ny latsakemboka

Herintaona sy tapany izay no naha Talen-tsekoly EPP Isaingy an-dRamatoa Rijamalala Randriamialison, raha mpampianatra tsotra ny tenany teo aloha. Tamin’ny taom-pianarana lasa teo, nahitana raiamandrenin’ny mpianana 212 teo anivon’ny sekoly iadidiany izay nampandoavana latsakemboka 25.000 ariary tsirairay, ireo no vola nahodina nahafahafana nanefa ny valin-kasasaran’ireo mpampianatra FRAM 3 sy mpiambin-tanàna iray niampy ny fampandehanan-draharaha. Nisy tamin’ireo nampiana-janaka izay nosinganina manokana tamin’io latsakemboka io raha ny nambaran’ny Talen-tsekoly, noho ny tranga manokana eo amin’izy ireo tahaka ny olana ara-pidiram-bolan’ny raim-pianakaviana sy ny zokiolona mitaiza ny zafiny kamboty. Ny sasany tamin’ny raiamandreny ihany koa nandoa ny latsakemboka indroa miantaona noho ny fahasahiranana.
Nandiso fanantenana ny raiamandreny sendran’ny mpanao gazetinay nanao fanadihadiana teny amin’ny Kaominina Ampanefy ihany koa ny fanambaran’ny Filoham-pirenena am-perinasa, volana maro lasa izay, fa 0 ariary ny fampidirana mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra. « tamin’izany efa tsy tao anaty kaonty intsony io vola aloha io noho iny lahatenin’ny Filoha iny, saingy rehefa hampiditra mpianatra izahay dia nifanohitra tamin’izay no zava-nitranga. Fampandriana adrisa fotsiny izany, hany hery nitrosa nanao izay fomba nampidirana ny zanakay hianatra izahay tamin’ny taom-pianarana lasa », hoy i Joséphine Andriantseheno, renim-pianakaviana ao Ampanefy.
Niaiky ny Talen-tsekoly EPP Isaingy fa nisedra olana goavana ny sekoly, nifanojo tamin’ny fotoana nitondrany no tsy nisy ny « Caisse école » ka niteraka fahasahiranana ho an’ny sekoly sy ny FEFFI (Farimbon’Ezaka ho Fahombiazan’ny Fanabeazana eny ifotony) indrindra teo amin’ny lafiny famoaham-bola. Rehefa nifandinika ny roa tonta dia nanatanteraka fitadiavam-bola hafa, tapaka tamin’izany fa vokatra 2.000 ariary no hatao izay nandraisan’ny malala-tanana sy mpanao asa soa teo an-tanàna ary ny raiamandrenin’ny mpianatra anjara ny faramparan’ny volana Mey lasa teo. Voalazany fa nolanian’ny rehetra nandritra ny fivoriana niarahana tamin’ny raiamandrenin’ny mpianatra io fitadiavam-bola io, saingy noho ny tonga ny fotoam-panefana dia nisy ihany ireo tsy nahaloa ny saram-bokatra. Manoloana izany, voatery nokitihana ny volan’ny FEFFI nentina nampiasaina tamin’ny fampandehanan-draharaha maika, ary ny vola azo tamin’io vokatra io kosa no namerenana azy avy eo, raha ny fanampim-panazavany.

Nanamafy ny mpanolontsaina FEFFI, Faravololona Razafindrahasy fa : « sarotra ny manitatra ny fitadiavam-bola hatreto noho ny fahasahiranan’ny raiamandreny, rehefa voaefa avokoa ny karaman’ny mpampianatra dia izay no zava-dehibe. Amin’ireo tsy mbola nahaloa ny vokatra 2.000 ariary kosa, mialohan’ny fidirana ho avy io no fe-potoana farany fandoavana izany miaraka amin’ny latsakemboka isan-taona isaky ny raiamandreny ».
Tsy ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra ao Isaingy ihany no nandalo izay fahasahiranana izay ao Atsimondrano, fa ny EPP Malaho ihany koa dia nibaby enta-mavesatra. Ny antsasaky ny mpampianatra ao amin’ny EPP Malaho mantsy mbola zakain’ny FEFFI ny fanefana ny karaman’izy ireo, araka ny nambaran’ny ny Sefo Fokontany sady Filohan’ny FEFFI EPP Malaho, Joseph Ralantoarivony. Vesatra ho an’ny sekoly izany na dia eo aza ny fanampiana atolotry ny Kaominina Ampanefy ho fanohanana ny sekoly mitentina 20.000 ariary isam-bolana.

Nanatsara ny voka-panadinanana ny fisian’ny tetikasa

Na dia eo aza ireo olana lalovan’ny sekolim-panjakana ao Atsimondrano, tsy nitsanga-menatra ny Cisco tamin’ny valim-panadinanana. Tamin’ny taona 2021, 79,69 isan-jaton’ny mpianatra manerana ny ZAP 23 ao amin’ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Atsimondrano no afa-panadinam-panjakana CEPE, niakatra ho 81,63% kosa izany tamin’ny taom-pianarana 2021-2022. Vokatra nihabo hatrany ny taham-pahafaham-panadinana ny 2022-2023 farany teo ho an’ity Cisco ity, nahatratra 83,74% izany araka ny vokatra ofisialy navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazeam-pirenena. Raha ho an’ny EPP Isaingy manokana, 46% ny taham-pahafahana teo aloha, nahitana fiakarany 4% izany tamin’ny vokatra-panadinana CEPE 2023 ka lasa ho 50%. Nandritra izany no nahatsapan’ny Talen-tsekoly EPP Isaingy fa nahafaham-po sy nahitam-bokantsoa ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa SCORE (Suivi Citoyen par les OSC de la transparence et de la redevabilité de l’Education) na fanarahamaso ny tamberinandraikitra eo amin’ny fanabeazana fototra ataon’ny firaisamonim-pirenena ka nampiakatra ny taham-pahombiazana.
Nanamafy ihany koa ny Lehiben’ny Cisco Antananarivo Atsimondrano, Arsène Ramananjatovo fa :« tena nisy fiantraikany teto anivon’ny Cisco Atsimondrano ny fisian’ny tetikasa SCORE, porofon’izany izao voka-panadinana nihatsara izao ».

Sekoly tsara tantana

In-telo ao anatin’ny taom-pianarana no tanterahana ny fivoriana ara-potoana FEFFI, raha ho an’ny EPP Isaingy voahaja hatrany izany araka ny nambaran’ny Samoeline Rasoarimanantsoa, Filohan’ny Fivoriamben’ny FEFFI Isaingy. Nandritra ny fivoriambe farany tamin’ity taom-pianarana 2022-2023, nisy ny jery todika izay nahatsapana ny fivoaran’ny fanabeazana teo anivon’ny sekoly tamin’ny ankapobeny. Ny fahavitsian’ny mpianatra namerina kilasy, sy ny naoty ambany indrindra no nitarafana izany. « Mahakasika izay indrindra, azo tsapain-tanana ny vokatra nandritra izay 2 taona niasan’ny SCORE teto Atsimondrano izay satria nanampy betsaka tamin’ny alalan’ny fanofanana momba ny fitantanana indrindra ho an’ny mangarahara, sy ny fanajana ny fivoriambe », raha ny voalazan’ny Lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Atsimondrano, Arsène Ramananjatovo.

Hita taratra ny fivoaram-pitantanana eo anivon’ny sekoly tamin’ny alalan’ny tantsoroka izay notanterahana, teo ny fanjohiana, ny fanaraha-maso, ny fampirisihana sy fanentanana. Manoloana izany, maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny SCORE ny Tas na tompon’andraikitry ny sekoly, Manambintsoa Hortensia Randriamparany.

Miroso mankany amin’ny haitondra

« Hatramin’izay taona maromaro nifampitondran’ny Tale sy ny mpampianatra niaraka tamin’ny mpikambana FEFFI dia nanjaka ny mangarahara, mivoaka hitan’ny rehetra eo amin’ny afisy ao amin’ny biraon’ny Tale avokoa ny vola mivoaka sy miditra ary mandritra ny fivoriambe ihany koa no nampahafantarina ny raiamamndrenin’ny mpianatra izany. Tsy maintsy ahitana sonian’ny tompon’andraikitra telo mianadahy vao afaka maka na manatitra vola any amin’ny OTIV », hoy ny Filohan’ny FEFFI EPP Malaho, Joseph Ralantoarivony. Ny tenany izay efa nahavita fe-potoam-piasana indroa ary mamarana ny fanintelony amin’ity taom-pianarana ho avy ity.
Nahitsy kosa ny an’ny ny Talen-tsekoly EPP Isaingy, Rijamalala Randramialison, fa tsy ho tompontrano mihono ny raiamandrenin’ny mpianatra mikasika ny fandeham-bolan’ny FEFFI. Voasoritra avokoa ny fampiasana ny vola, ny fandaniana rehetra sy ny ambim-bola amin’ny alalan’ny fivoriambe. Tsy mbola nisy ihany koa ny disadisa teo amin’ny raiamandrenin’ny mpianatra sy ny FEFFI hatreto, nirindra araka ny tokony ho izy ny fiaraha-miasa raha ny nambaran’ny Samoeline Rasoarimanantsoa, Filohan’ny Fivoriamben’ny FEFFI Isaingy.

Ho an’ny Tad, amin’ireo Kaominina 13 amin’ny 26 hiasan’ny tetikasa SCORE ao amin’ny Distrika Atsimondrano, nahitam-pivoarana na izany aza mbola misy ihany koa ireo olana sedrain’ny sekoly izay iandrasana ny fanaraha-maso fahatelo. « Namboly asa mateza teny anivon’ny Kaominina ny SCORE indrindra ny fangaharahana, na tapitra aza ny tetikasa dia hirariana mbola hitohy hatrany izany fahaiza-manao izany, fampandrosoana sy ny fitadiavana lalam-bola », hoy ny tompon’andraikitra Distrika Atsimondrano, Ralijaona Nomenjanahary Harihanitra. Mazoto ny raiamandreny hitady lalam-bola, hoy izy, rehefa hitany ny fangaharahana ny fitantanana ao amin’ny sekoly. Nohamafisiny fa tsy mpamatsy vola na mpamaha olana akory ny tetikasa SCORE izay mbola maro ny olana mihevitra izany. Miezaka manazava ny sain’ny olompirenena mieritreritra izany ny Tad Atsimondrano, hatreto ny 70%n’ny hafatra no tafita fa ny 30% kosa mbola an-dalam-panatanterahana.

Mampaneno lakolosy ny tompon’andraikitry ny sekolim-panjakana

Manomboka amin’io taom-pianarana vaovao io, hetahetan’ny FEFFI eo anivon’ny EPP Isaingy ny hisitrahan’ny mpianatra ny « cantine scolaire » indrindra rehefa vanim-potoana fahavaratra. Ankoatra io, manam-paniriana ihany koa ny solontena mpikambana FEFFI, Benjamina Raherindramanga, ny hanavaozana ny fitehirizan-drano eo anivon’ny sekoly Isaingy. « Tsy maharaka ny filàn’ny mpianatra intsony ity fitaovana ity noho izy efa niasa aman-taonany maro. Koa manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony izahay ny hanatsarana izany mba hisitrahan’ny ankizy rano fisotro madio », hoy izy. Raha ho an’ny EPP Malaho kosa, dia nilaza ny Filohan’ny FEFFI fa ny fanavaozana ny efitrano sekoly no laharampahamehana ho azy ireo kanefa na ny vola hanatanterahana izany aza mbola tsy an-tanana. « Efa tranainy ny fotodrafitrasa eto amin’ny EPP Malaho, koa manainga ny fitondram-panjakana sy izay vonona hifanolo-tanana aminy ny FEFFI amin’izany ezaka izany », raha ny nambaran’ny Filohan’ny FEFFI Malaho, Joseph Ralantoarivony.

Mickah Raharisoa

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031