Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANAN’NY VEHIVAVY MPANAO GAZETY: Hiavaka ny fankalazany ny andron’ny 8 martsa amin’ity taona ity

FIKAMBANAN’NY VEHIVAVY MPANAO GAZETY: Hiavaka ny fankalazany ny andron’ny 8 martsa amin’ity taona ity

FIKAMBANAN’NY VEHIVAVY MPANAO GAZETY: Hiavaka ny fankalazany ny andron’ny 8 martsa amin’ity taona ity
mars 04
05:53 2022

Higadona afaka andro ny fanamarihana iraisampirenena ny andron’ny vehivavy. Samy manana ny fomba entiny hanehoany izany ny fikambanana tsirairay amin’ity taona ity. Raha ho an’ny Fikambanan’ny Vehivavy Mpanao gazety eto Madagasikara (AFJM) manokana, hiavaka ny endrika hankalazana ny 8 martsa 2022. Araka ny fampahafantarina notanterahan’ny Birao mandrafitra ny AFJM ny alarobia lasa teo teny Anosy, hanomana hetsika lehibe ity fikambanana ity ny alarobia 9 martsa ho avy izao manomboka amin’ny 7 ora hariva eny amin’ny Kudeta Urban Club Anosy. Hetsika izay nampitondraina ny lohateny hoe: « Tout feu, toutes femmes », fiaraha-miasa amin’ny Kudeta ary tohanan’ny gazety Jejoo sy Top Radio. « Hisy fanentanana isan-karazany iarahana amin’ny mpanakanto malagasy toa an’i Farakely, Poon, Eusebia, Ayam, ahitana dihy Salsa ihany koa mandritra io lanonana io. 15.000 ariary kosa no fandraisana anjara ho fanohanana ny fikambanana », hoy ny mpandrindra ny lanonana sady mpikambana ao amin’ny biraon’ny AFJM, Nirisoa.
Mbola misy ny tapakila ho an’ireo maniry ny handray anjara, ary afaka miantso ny laharana finday 0341733056 na 0341169712. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra hatrany, ezahana hajaina ny fepetra sakana mandritra io alina hiaraha-mifaly io noho ny mbola fihanaky ny valanaretina Covid-19 eto an-toerana. Tsy misy ahina kosa ny eo amin’ny lafiny « parking » ho an’ireo hitondra fiara, malalaka tsara ary antonona fiara maro. Torak’izany ihany koa ny fandriampahalemana, efa misy tompon’andraikitra misahana izany ao an-toerana.
Ny vola azo amin’ity hetsika ity moa dia natokana ho amin’ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny, ohatra amin’izany ny fikarakarana fiofanana arahina lohahevitra samy hafa. Ho fankalazana hatrany ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy, handray anjara amin’ny hetsika any Alasora ihany koa ny AFJM ny alatsinainy ho avy izao. « Amin’ity taona ity, handray anjara amin’ny fikaonan-doha iraisampirenena ho an’ny mpanao gazety any Tunisie ny solontenan’ny Fikambanan’ny Vehivavy Mpanao gazety eto Madagasikara », hoy ny Filoha nasionalin’ny AFJM, Anny Andrianaivonirina. Tsiahivina, manodidina ny 500 no isan’ireo mpikambana ao amin’izao fotoana izao ary manana vinavina hanatanteraka tetikasa maro izy ireo amin’ity taona ity.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930