Madatopinfo

 Flash Info

VOKATRA VITA MALAGASY: Hitohy hatramin’ny 31 jolay ho avy izao ny tsenaben’ny sakafo

VOKATRA VITA MALAGASY: Hitohy hatramin’ny 31 jolay ho avy izao ny tsenaben’ny sakafo

VOKATRA VITA MALAGASY: Hitohy hatramin’ny 31 jolay ho avy izao ny tsenaben’ny sakafo
juillet 28
15:00 2021

« Manandratra ny vita malagasy », io no lohahevitra nosafidian’ny mpikarakara, Chez’Elles Madagascar mandritra ny hetsika tsenaben’ny sakafo izay tanterahina eny amin’ny zaridaina Antaninarenina ny 28 hatramin’ny 31 jolay hoavy izao. Fotoana manokana hanomezana sehatra ho an’ireo mpivarotra, mpankafy sy mpanjifa sakafo ara-pahasalamana vita malagasy ireo andro ireo. Raha ny hita teny an-toerana nandritra ny fanokafana ny hetsika ny alarobia 28 jolay dia misongadina ny vokatra vita avy amin’ny ronono, ny hena, ny voankazo sy legioma ary ny hazan-dranomasina. « Mpanao lakozia, mpanodina sakafo, mpamboly, mpanao asa tanana mikasika ny haingon-databatra fisakafoana no ankamaroan’ireo mpandray anjara amin’ity tsenaben’ny sakafo ity. Misy araka izany ny fiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, eo ihany koa ny ministeran’ny indostria sy ny varotra », hoy ny mpikarakara eo anivon’ny Chez’Elles Madagascar, Stéphanie Ratrimoson. Manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva moa no misokatra ny zaridaina Antaninarenina mandritra ity hetsika goavana ity.
Amin’ity andiany ity dia tsy misy ny vidim-pidirana ary manaja ny fepetra ara-pahasalamana tanteraka ny eny an-toerana. Manome toky ihany koa ireo mpandray anjara amin’ity hetsika ity fa hanao izay ahafapo ny mpanjifa mba handrisihana azy ireo ho tia hatrany ny vokatra vita malagasy

RSM

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930