Madatopinfo

 Flash Info

LCA SALANITRA: Nanatanteraka hetsika goavana roa tamin’ity volana Oktobra ity

LCA SALANITRA: Nanatanteraka hetsika goavana roa tamin’ity volana Oktobra ity

LCA SALANITRA: Nanatanteraka hetsika goavana roa tamin’ity volana Oktobra ity
octobre 20
06:30 2020

Tafiditra ao anatin’ny hetsika ara-tsosialy tanterahan’ny Lions Club Antananarivo Salanitra isam-bolana fa indrindra ihany koa ao anatin’ny fanamarihana ny « Journée du Lionisme » tamin’ny 8 Oktobra, izay fahatsiarovana ny fananganana ny Lions Club International Association, dia nanao hetsika sosialy lehibe roa ny ity fikambananana ity.
Ny voalohany tamin’izany dia notontosaina ny 11 Oktobra tamin’ny alalan’ny fampifaliana ny akizy tao amin’ny tanànan’Ambohimiadana. Amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao mantsy, nanolotra fitaovam-pianarana toy ny kitapo, kahie, penina, pensily hazo, solaitra, tsaoka ary satroka ho azy ireo ny mpikambana ao amin’ny Lions Club Antananarivo Salanitra. Tanjona tamin’izany ny hanampiana sy handrisihana ireo ankizy ireo hiditra an-tsekoly. Ny CT Motors sy ny SOMADIS moa no nanohana ara-bola no nanohana ara-bola izany hetsika izany.

Ny hetsika manaraka kosa dia notanterahana ny 12 oktobra 2020 lasa teo, nizara fanomezana maro ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana malagasy ity fikambanana ity ho fankasitrahana ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny ady amin’ny covid-19. Ny teo anivon’ny Sampan-draharaha « Réanimation Chirurgical » eo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha sy ny CSB II Isotry ary ny CSB II Anosipatrana no nisitraka izany tamin’ity andiany ity. Harona lehibe nahitana karazan-tsakafo ara-pahasalamanaa no natolotra azy ireo nandritra izany. Araka ny fantatra, tamin’ny alalan’ny fanangonam-bola avy amin’ny Diaspora Malagasy any Eropa sy Canada no nahafahana nanatontonsa izany.
Tsy hijanona hatreo fa hitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fikambanana Lions Club Antananarivo Salanitra ho fanohanana ny mpiara-belona sy hanatanterahana ny teny filamatra hoe: »We serve ». Tsiahivina koa fa efa maro ny tetikasa sy ny zava-bitan’ny fikambanana tamin’ny toerana maro hatramin’izay taona nijoroany izay.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930