Madatopinfo

 Flash Info

ORANGE SUMMER CHALLENGE 2022 : Hahazo 1000 euro izay ekipa mpandresy isaky ny firenena

ORANGE SUMMER CHALLENGE 2022 : Hahazo 1000 euro izay ekipa mpandresy isaky ny firenena

ORANGE SUMMER CHALLENGE 2022 : Hahazo 1000 euro izay ekipa mpandresy isaky ny firenena
mai 25
15:30 2022

70 isan-jaton’ireo tsy an’asa eto Madagasikara dia tanora manana diplaoma sy mari-pahaizana avokoa, isan’ny vahaolana iray ahafahan’izy ireo manana ny asany manokana sy ara-dalàna ary maharitra ny Orange summer challenge. Efa andiany faha-12 amin’ity taona 2022 ity ny Orange summer challenge 2022 (OSC2022) eo anivon’ny Afrika sy Moyen-Orient fa andiany voalohany kosa ho an’i Madagasikara. Nampahafantatra izany teny amin’ny Tour Orange Ankorondrano ny alarobia 25 Mey mikasika izany ny Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, sy Audrey Gortana Vallet, Talen’ny Orange Digital Center Madagascar. Fifaninanana izay hotanterahana mandritra ny 3 volana ka hanomboka ny 1 jolay ary hifarana ny 30 septambra ny dingana manerana ny firenena 9: Tunisie, Maroc, Jordanie, Côte d’Ivoire, Sénégal, Cameroun, Mali, la Sierra Leone ary i Madagasikara. Misokatra ny 15 mey ka hatramin’ny 20 jona ho avy izao kosa ny fisoratana anarana amin’ny fandraisana anjara amin’ity OSC2022 ary mamaim-poana izany, ahitana rohy mikasika ny fomba fanoratana anarana ao amin’ny pejy facebook an’ny Orange Digital Center. « Hisitraka fiofanana eny amin’ny ODC Ankorondrano sy Fablab Ankatso mandritra ny 3 volana ireo vondrona voafidy ary hiompana fananganana orinasa amin’ny tontolon’ny nomerika sy digital miainga amina hevitra izany », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ ny Orange Digital Center, Zo Andrianina Rakotomiaranjato. Ny Orange summer challenge rahateo dia paikady iray ahafahana mianatra momba ny fananganana orinasa sy tetikasa. Vondrona 4 ahitana olona 5 tsirairay izay mahasarika ny mpitsara ny fifaninana kosa no hiatrika ny dingana manaraka aorian’ny sivana isan-karazany. « Hahazo 1000 euro izay vondrona mivoaka mpandresy amin’ny Orange summer challenge 2022 isaky ny firenena ary 2000 euro kosa ho an’izay tsara indrindra eo anivon’ny Afrika sy Moyen-Orient », hoy hatrany ny fanazavana. Ny Google sy Ey (-Ernst & Young) moa no mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ity OSC2022 ity. Vinavinan’ny ODC araka izany ny hampiofana tanora manana sy tsy manana diplaoma maherin’ny 1.000 ao anatin’ny 2 taona eto Antananarivo sy Fianarantsoa ary Antsiranana. Hampiditra farafahakeliny 50 isan-jato amin’ireo anatin’ny sehatra arak’asa ary 20 isan-jaton’izany dia vehivavy.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930