Madatopinfo

 Flash Info

ALLIANCE FRANÇAISE ANTANANARIVO : Hetsika maro no hanamarihana ny fankalazana ny faha-75 taonany

ALLIANCE FRANÇAISE ANTANANARIVO : Hetsika maro no hanamarihana ny fankalazana ny faha-75 taonany

ALLIANCE FRANÇAISE ANTANANARIVO : Hetsika maro no hanamarihana ny fankalazana ny faha-75 taonany
février 28
06:21 2022

Maro no efa nisitraka ny fanovozam-pahalalana teny frantsay teo anivon’ny Alliance Française Antananarivo, manodidina ny 15.000 izy ireo raha ny antontan’isa voaray tamin’iny taon-dasa iny. Amin’ity 2022 ity, manamarika ny faha-75 taona nijoroany ny AFT ka notanterahana makotrokotroka teny Andavamamba ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fanamarihana izany ny sabotsy 26 febroary lasa teo. Niavaka ity lanonam-panokafana ity, noravahana fampisehoana talenta ara-kolontsaina tahaka ny dihy sy hira, nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenana izay nosantarin’ny Filohan’ny AFT, Monique Raharinosy. Nisy ihany koa fampirantiana an-tsary sy fametrahana ny vato fototry ny tsangambato fanamarihana. Tanjon’ny AFT ny hampiroborobo ny teny frantsay amin’ny endriny rehetra ary mampanantena ny hisian’ny fanabeazana tsara kalitao, miampy fandaharana ara-kolontsaina sy ara-panabeazana. Ankoatra ny fianakaviamben’ny AFT, manam-pahefana maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana, isan’ireo ny Ministry fanabeazam-pirenena, ny Masoivoho frantsay miasa eto Madagasikara, ny Ben’ny Tanàna an’Antananarivo, ary vahiny manan-kaja sy ireo mpiara-miombon’antoka isan-tokony.
Notohizana tamin’ny varavarana misokatra azon’ny rehetra natrehana ny tolakandro, ary nahitana ihany koa fivarotam-boky tamin’ny vidiny mirary. Fampisehoana lehibe niarahana tamin’ny mpanakanto fanta-daza Stéphanie sy Ljo kosa no namaranana ny tontolo andro.
Tsy mijanona hatreo ny fankalazana, mbola betsaka ireo fandaharam-potoana vinavinaina hanamarihana izany faha-75 taonan’ny AFT izany amin’ity taona 2022 ity, araka ny fanampim-baovao voaray. Ao anatin’izany ny 19 martsa izay hanatanterahana ny lalao famaranana ny fifaninanana mikasika ny famakian-teny sy ny sora-tononina eo amin’ireo sekoly nandray anjara ; eo ihany koa ny diabe ho an’ny faha-75 taona hotontosaina ny 18 jona, ary ny 2 jolay kosa no hanamarihana ny Andro natokana ho an’ny naman’ny Alliance Française. Ny 3 desambra 2022 moa no hanatanterahana ny lanonam-pamaranana ny taom-pankalazana amin’ny alalan’ny fampisehoana goavana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930