Madatopinfo

 Flash Info

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Mad’Art Advisory manolotra seho miaraka amin’ny mpanakanto

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Mad’Art Advisory manolotra seho miaraka amin’ny mpanakanto

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA : Mad’Art Advisory manolotra seho miaraka amin’ny mpanakanto
mai 10
12:45 2023

«Antson’ny tontolo miaina», hetsika ara-javakanto ho fikolokoloana sy fiarovana ny tontolo iainana ho tanterahin’ny Mad’Art Advisory, eny amin’ny faritra Zital Ankorondrano. Manomboka ny 20 Mey ho avy izao ny ranty sy ny seho ary mifarana ny 5 jiona. “Tanjona ny hahatonga saina ny maro ho amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana izay iarahana amin’ireo mpanakanto.” Hoby Rabarijohn, tomponandraikitra mpikarakara hetsika miasa ho an’ny mpanakanto sy mpisehatra manokana amin’ny fampirantiana tahaka izao .
Ahitana fifanakalozan-kevitra mandritra tapabolan’izany hetsika izany. Anaty fandaharam-potoana ihany koa amin’io roa herinandro io ny hetsika mozika iarahana amin’ny madajazzcar izay iandraiketan’ny Filohany, Zacky Ranarison. Ankoatra izany rehetra izany, hahazo sehatra ihany koa ny dihy.
Voalazan’ny mpikarakara, nadritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 9mey teo, teny amin’ny faritra Zital Ankrondrano fa fampandraisana anjara ireo mpanakanto amin’ny sehatry ny tontolo iainana ka hisy akony amin’ny olompirenena. Nanambara i Hoby Rabarijohn, tomponandraikitra voalohanny ny fampirantiana ity «Antson’ny tontolo miaina» ity : “ho fandraisana anjara amin’ny hamehana, noho ny fiovan’ny toetr’andro izay hatrehina ka mianjady amin’izao tontolo izao, indrindra ny olombelona.” Misokatra ho an’ny be sy ny maro ny hetsika sy ny fampisehoana.
Mickah Raharisoa

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930