Madatopinfo

 Flash Info

RANDRANA SENDIKALY : Nihamafy ny hetsika fitakiana ny ady amin’ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana

RANDRANA SENDIKALY : Nihamafy ny hetsika fitakiana ny ady amin’ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana

RANDRANA SENDIKALY : Nihamafy ny hetsika fitakiana ny ady amin’ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana
novembre 26
08:16 2022

Diabe niainga eto Ankadimbahoaka, nizotra nankany amin’ny Fansan-karana ary nifarana teny Anosy ny hetsika nanamarihan’ny Randrana sendikaly ny Andro iraisampirenena ho an’ny ady amin’ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana ny zoma 25 Novambra. Nandritra izany ihany koa no nanamafisan’izy ireo ny fitakiana ny famoahana an’i kamarady Sento izay notanana am-ponja noho ny asa sendikaly efa ho 3 volana lasa izay. Manambara ny Randrana sendikaly fa miseho amin’ny endriny maro ny fanitsakitsahana ny lalàna iraisampirenena mitranga eto Madagasikara, isan’izany ny firongatry ny herisetra ara-toekarena eny amin’ny orinasa toa ny tsy fandoavana ara-dalàna ny karaman’ny mpiasa. Isan’ny miroborobo ihany koa ny herisetra ara-tsosialy, tafiditra ao anatin’izany ny tsy fisitrahan’ny mpiasa fitsaboana mifanaraka amin’ny tokony ho izy. « Ny tahotra an’ny mpampiasa sy ny henatra, ireo no olana eto amintsika amin’ny fanatsaharana ny herisetra eo anivon’ny toeram-piasana ka izay no mahatonga ny Randrana Sendikaly manohy ny tolona, manentana hatrany ho an’ny mpiasa malagasy mba ho sahy mijoro miady amin’ny tsy rariny », hoy ny Sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Koa mangataka ny Fitondram-panjakana izy ireo ny hikaroham-bahaolana amin’izany ary hanasonia ny fifanarahana iraisampirenena laharana 190. Re matetika mantsy, hoy izy ireo, ny fampiharana velirano faha enina milaza ny fanomezana asa mendrika ho an’ny malagasy saingy mbola tsy voahaja aloha izany hatreto.
Ankoatra izay, notsindrian’ny Randrana sendikaly manokana ihany koa ny lafiny fisotroan-drononon’ny zokiolona mpikambana ao amin’ny CNAPS izay voalaza fa maro amin’ny mpanjifa no tsy mahazo fanamarihana fandraisam-bola. « Tsy azo ekena velively ny fanapotehana ny CNAPS ary mitohy hatrany ny tolona », hoy hatrany ny fitakian’izy ireo.

H.N

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031