Madatopinfo

 Flash Info

RSE DHL MG: Tanora malagasy maro no hahazo tombony amin’ny fandaharan’asa miisa 4

RSE DHL MG: Tanora malagasy maro no hahazo tombony amin’ny fandaharan’asa miisa 4

RSE DHL MG: Tanora malagasy maro no hahazo tombony amin’ny fandaharan’asa miisa 4
octobre 31
00:44 2020

Olana goavana nolalovan’ny DHL International Madagascar ny tsy fahampian’ny fiaramanidina nandritra izay fihibohana amam-bolana maro izay. Na dia izany aza anefa nitohy hatrany ny ezaka sy ny fivoarana eo anivon’ny orinasa, nampahafantarina ny 30 Oktobra lasa teo teny Ankorondrano mantsy ny fisokafan’ny RSE (Responsabilité Société de l’Entreprise) ho an’ny DHL. Ahitana fandaharan’asa miisa 4 ao anatin’izany: eo ny GoTeach izay miresaka momba ny fanabeazana ary efa tafiditra teto Madagasikara nanomboka ny taona 2019. Raha ny GoGreen indray kosa dia misehatra eo amin’ny lafiny tontolo iainana, eo ihany koa ny GoHelp izay miresaka manokana ny loza ara-boajanahary. Ny fandaharan’asa vaovao fahaefatra dia ny GoTrade, ahafahana manampy ny tanora hiditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Mamaly ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy na ny ODD faha-11, ny ODD13 ary ny ODD 15 avokoa araka izany ireo fandaharan’asa 4 ireo. Ny GoTrade moa dia efa nanomboka manerantany vao haingana izay ary izao efa tafiditra eto Madagasikara izao noho ny mponina eto amintsika tanora ny ankamaroany. « Ity fandaharan’asa vaovao ity dia entina handrisihana bebe kokoa ny tanora handraharaha. Misy ny sivana ho an’ireo maniry ny hiditra amin’izany ary mbola tsy voafaritra kosa hatreto ny isan’ny hisitraka ny GoTrade », hoy ny Tale Jeneralin’ny DHL Madagascar Yves Andrianaharison. Araka ny fanazavana hatrany, manomboka eny amin’ny ambaratonga fahatelo ny tanora dia omena torolalana mba tsy ho diso safidy rehefa tonga eny amin’ny oniversite ka izay no antony ampiroboroboana izao fandaharan’asa izao. Tamin’io fotoana io ihany koa no niantsoana ny mpiara-miombon’antoka ao anatin’io GoTrade io.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930