Madatopinfo

 Flash Info

FAKIOLTE NY SIANSA: Nitohy tamin’ny alalan’ny “Festival scientifique” ny faha-60 taonany

FAKIOLTE NY SIANSA: Nitohy tamin’ny alalan’ny “Festival scientifique” ny faha-60 taonany

décembre 14
06:21 2021

“Siansa, fanoitran’ny fampandrosoana lovain-jafy”, io no lohahevitra mandritra ny fanamarihana ny faha-60 taona ny Fakiolte ny siansa eo anivon’ny oniversite Antananarivo. Hetsika maro no entin’ny fianakaviamben’izy ireo mandritra izany taom-pankalazana izany. Anisan’izany ny “Festival scientifique” izay hotanterahana Esplanade Ankatso mandritra ny 3 andro. Mandritra ireo fotoana ireo, misy tranoheva entina mampahafantatra ny voka-pikarohan’ny mpianatra amin’ny alalan’ny varotra fampirantiana. Raha ny fandaharam-potoana ny alakamisy 14 desambra kosa dia misy famelabelaran-kevitra manodidina ny tontolo ara-tsiantifika izay iarahana amin’ny tompon’andraikitra amin’izany, ary tsy diso anjara ny hetsika ara-panatanjahantena, fampisehoana sy fanentanana ara-kolontsaina isan-karazany handraisan’ny mpianatra anjara. Tafiditra tao anatin’ity “Festival scientifique” ity ihany koa ny fitokanana ny TICE e-k@roka Kianja Vintsiala. Mandritra ny lanonam-pamaranana ny “Festival scientifique” izay hotanterahana ny zoma kosa, hisy fanolorana loka sy mari-pankasitrahana. Araka ny fanazavana voaray, tanjona tamin’ity hetsika ity ny fanomezan-danja sy fampiroboroboana hatrany ny fikarohana.
Nanatrika nandritra ny lanonam –panokafana teny an-toerana ny alatsinainy 13 desambra lasa teo moa ny Filohan’ny oniversite an’Antananarivo, profesora Mamy Ravelomanana sy ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eo anivon’ny oniversite Antananarivo. Ankoatra ireo, mbola maro ny hetsika ho fanamarihana ity fankalazana ny faha-60 taona ny Fakiolte ny siansa ity.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930