Madatopinfo

 Flash Info

RANDRANA SENDIKALY: Mitohy ny fivoizana ny fanomezan-danja ny vehivavy

RANDRANA SENDIKALY: Mitohy ny fivoizana ny fanomezan-danja ny vehivavy

RANDRANA SENDIKALY: Mitohy ny fivoizana ny fanomezan-danja ny vehivavy
mars 09
05:05 2022

Sokajiana ho fanoitra lehibe eo amin’ny fianakaviana, fiaraha-monina, toeram-piasana ary indrindra ao anatin’ny sendika ny vehivavy. Amin’ny maha fankalazana ny Andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny 8 martsa, nanamarika izany ihany koa ny vehivavy Randrana sendikaly. Nanatanteraka diabe niainga teny amin’ny 67Ha misy ny Foibeny izy ireo, namakivaky ny renivohitra ary nifarana teo Antaninarenina. Nizotra tamim-pilaminana ny hetsika nandritra ny fanamarihan’izy ireo izany Andron’ny vehivavy izany. Lohahevitra iraisan’ny IndustriAll Global sy ny CSI tamin’ity ny hoe: « Ny fitoviana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy antoky ny fiainana any aoriana ». Manoloana izany, hampivelatra ny fanomezan-danja ny vehivavy ao aminy ny Randrana Sendikaly. Efa hita taratra rahateo ny andraikitra sahanin’ny vehivavy ao anatin’izany, ahitana vehivavy avokoa mandrafitra ny Birao mpikambana amin’ny USAM (Union des Syndicats Autonomes de Madagascar) sy ny SVS (Syndicalisme et Vie des Sociétés) ary vehivavy ihany koa ny mpitarika ny Randrana Sendikaly. « Eto Madagasikara amin’ny ankapobeny, mbola hita soritra eo amin’ny sehatry ny asa ny toerana misy ny vehivavy izay somary ambany kokoa raha oharina amin’ny lehilahy. Ny Randrana Sendikaly dia hampanjaka ny fitoviana ary ezahana ny hanova ny rafitra raiki-tampisaka izay napetraky ny fiaraha-monina tahaka ny hoe: natokana hikarakara tokantrano ny vehivavy ary natao ho mpampianatra na mpitsabo ny asan’izy ireo « , hoy i Mbola Nomena, mpandrindra ny Randrana Sendikaly. Mitohy ny fametrahana ny miralenta ho azy ireo, na eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra izany, na lafiny fitantanana ary indrindra eo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra rehetra. Ary voizin’izy ireo hatrany ny hoe: « tsy azo atao tantely afa-drakotra ny mpiasa malagasy ».

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930