Madatopinfo

 Flash Info

JOEL ANDRIANOMEARISOA: Hotokanana amin’ny sabotsy ho avy izao eny Analakely ny asa tanany goavana

JOEL ANDRIANOMEARISOA: Hotokanana amin’ny sabotsy ho avy izao eny Analakely ny asa tanany goavana

JOEL ANDRIANOMEARISOA: Hotokanana amin’ny sabotsy ho avy izao eny Analakely ny asa tanany goavana
octobre 06
06:30 2021

Miezaka hatrany ny hanome lanja sy handratana ny kanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara ireo mpanakanto malagasy amin’ny alalan’ny fampiratiana amin’ny endriny samihafa. Raha ho an’i Joël Andrianomearisoa manokana dia hiavaka ny fanehoany izany, tsangam-by lehibe izay hapetraka eny Analakely no nosafidiany tamin’ity. Ahitana soratra amin’ny fiteny malagasy azon’ny rehetra vakiana ity tsangam-by ity, misy dikany amin’ny fiteny frantsay sy anglisy kosa eny ambany. Miirefy 8 metatra ny ahavon’io tsangam-by io, 8 metatra ihany koa ny sakany ary 2 metatra ny hateviny. « Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao » kosa no lohahevitra nentina. Raha ny fampahafantarana nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, omaly, tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely dia hotanterahina ny sabotsy 9 oktobra hoavy izao izany sangan’asa izany ary hatrehan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny avy amin’ny Fonds Yavarhoussen. Nohamafisin’i Joël Andrianomearisoa moa fa izao no tanteraka dia teo ny fiaraha-miasa avy amin’ny CUA sy ny fanohanan’i Fonds de Dotation HY izay tarihan’ny Filohany Hasnaine Yavarhoussen. Araka ny fanazavana hatrany, nosafidian’izy ireo ny etsy Analakely noho ity toerana ity ifamezivezen’ny olona maro avy amin’ny faritra samy hafa, toerana fakàn’ny olona sary ihany koa eo sady azo mora tazana. Nambaran’ity mpanakanto ity moa fa azon’ny rehetra tsy ankanavaka atrehana ity lanonam-pitokanana ity ary hipetraka ho tantara eto Antananarivo sy Madagasikara manontolo.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031