Madatopinfo

 Flash Info

TSY FANANAN’ASA ETO MADAGASIKARA: Hitondra vahaolana maharitra ny HAFARI Malagasy

TSY FANANAN’ASA ETO MADAGASIKARA: Hitondra vahaolana maharitra ny HAFARI Malagasy

TSY FANANAN’ASA ETO MADAGASIKARA: Hitondra vahaolana maharitra ny HAFARI Malagasy
janvier 26
09:55 2021

Maro ny tanora no manana mari-pahaizana sy mivoaka amin’ireny sekoly ambony ireny isan-taona. Olana ho azy ireny anefa ny fitadiavana asa sahaza ny diplaomany aty aoriana. Nanampy trotraka ihany koa ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny valanaretina Covid-19 teto amintsika ka nitombo ny orinasa nampihena ny mpiasa ao aminy. Manoloana izany indrindra dia manana vahaolana matipaika ny fikambanana Hafari Malagasy sy ny Fitrama na Fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana mampiasa ny raokandro malagasy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Isan’izany ny famoronana asa ho an’ny malagasy rehetra tsy ankanavaka amin’ny alalan’ny paikady hananan’izy ireo. Izany moa dia hampafantarina amin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 28 janoary hoavy izao. « Tsy mitady seza ara-politika velively izay tahaka ny toetsain’ny fiarahamonim-pirenena sasany izay midongy seza, maka famatsiambola hoentina hivarotana tanindrazana any ivelany. Tsy hitarika olona hidina an-dalambe ihany koa fa ny angatahanay amin’ny fitondram-panjakana ny hijerena ireo fiarahamonim-pirenena tena malagasy », hoy i Jean Nirina Rafanomezantsoa mitarika ny fikambanana Hafari nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny alatsinainy 25 janoary teny amin’ny 67Ha. Nohantitranteriny hatrany fa tsy hisongona ny andraikitry ny fitondram-panjakana akory izy ireo ny amin’izany tetikasa famoronan’asa hatolotra izany fa kosa hanampy sy hifampizara ny fitondrana amin’ireo olana ara-tsosialy misy eto amintsika. Antenaina araka izany fa ho betsaka ireo malagasy tsy an’asa na very asa no hovoakasika ao anatin’ity fandaharan’asa atolotry ny Hafari ity.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930