Madatopinfo

 Flash Info

FONDATION AXIAN SY MNP: Hiara-hisalahy hanarina sy hiaro ny valanjavaboary ao Ranomafana

FONDATION AXIAN SY MNP: Hiara-hisalahy hanarina sy hiaro ny valanjavaboary ao Ranomafana

FONDATION AXIAN SY MNP: Hiara-hisalahy hanarina sy hiaro ny valanjavaboary ao Ranomafana
juillet 22
07:00 2020

Isan’ireo toerana tsy afaka amban’ny maro ny ao amin’ny valanjavaboarim-pirenena Ranomafana rehefa mandalo an’iny Faritra Atsimo Atsinanan’i Madagasikara iny izay ahitana karazana zava-maniry sy biby tsy fahita firy. Nosokajian’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fampianarana, ny siansa ary ny kolontsaina (UNESCO) ho vakoka iraisam-pirenena izy. Efa niharan’ny fandripahana ala sy fitrandrahana tsy ara-dalana tao amin’ity valanjavaboary ity. Ho famerenana amin’ny laoniny sy fiarovana azy indrindra dia nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Tale Mpanatanteraka eo anivon’ny Fondation Axian, Isabelle Salabert sy sy ny Tale Jeneralin’ny Madagascar National Parks (MNP), Mamy Rakotoarijaona izay notanterahana ny voalohan’ity herinandro ity. Voarakitra ao anatin’ity fifanarahana eo amin’ny roa tonta ity moa ny ahatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) laharana faha-13 izay manambara ny fametrahana mialoha ny paik’ady sy ny fepetra maharitra rehetra mifanaraka amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny voka-dratsiny; eo ihany koa ny fametrahana ny fomba sy ny fepetra rehetra fiarovana sy fanarenana maharitra ny tontolo iainana an-tanety araka ny voalaza ao amin’ny ODD 15. Araka ny fampitam-baovao voaray, hisy fiatraikany ao amin’ny mponina any an-toerana sy hampiova ny fari-piainan’izy ireo tokoa ity tetikasa ity indrindra ny vehivavy sy ny tanora satria laharam-pahamehana ny fampidirana azy ireo handray anjara amin’ny tetikasa ho fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Vinavinaina ahatratra manodidina ny 18 isan-jato tokoa mantsy ny ho fitombon’ny vola miditra amin’ireo olona eny an-toerana.
Isan’ny tanjona kosa ny hanomezana loharanom-bola fanampiny sy hanamafisana ny fahaizan’ny mponina any an-toerana. Ankoatra izay, hiteraka asa sy fampiroboroboana ny tontolon’ny fizahan-tany ao amin’ny valanjavaboarim-pirenena ao Ranomafana araka izany ny fanatanterahana io fandaharan’asa io. Raha ny fantatra tokoa mantsy dia mirefy 100 hektara ny toeram-ponenan’ireo biby tsy fahita firy ao amin’ny faritr’Analavaky, Andrekitsatoka ary Antanivinidy no voakasik’ity tetikasa fanarenana, fanaraha-maso ary fikojakojana ity.
Mifameno araka izany ny roa tonta amin’ny fanatanterahana io tetikasa goavana io, ny Fondation Axian rahateo moa dia misehatra eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana, ny fanabeazana, ny fampandrosoana ara-piaraha-monina sy fanampiana ny maha-olona, ary ny lafiny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra; raha fikambanana ara-dalàna notendren’ny Fanjakana hitantana ny valanjavaboary sy tahiry manerana ny Nosy kosa ny MNP.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930