Madatopinfo

 Flash Info

FANKALAZANA NY FAHA-26 JONA:: Hentitra ny fitandroana ny filaminana manerana ny Antananarivo sy ny manodidina

FANKALAZANA NY FAHA-26 JONA:: Hentitra ny fitandroana ny filaminana manerana ny Antananarivo sy ny manodidina

FANKALAZANA NY FAHA-26 JONA:: Hentitra ny fitandroana ny filaminana manerana ny Antananarivo sy ny manodidina
juin 24
05:30 2021

Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetim-pirenena izao dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny eo anivon’ny EMMO-NAT teny amin’ny Toby Ratsimandrava omaly 23 Jona mikasika ny fandaminana isan-tokony ny fandriampahalemana mandritra izany fankalazana izany. Nambara tamin’izany fa efa mametraka ny paikady rehetra ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao mba hiarovana ny olona sy ho hisorohana ny korontana mety hitranga. « Mangataka an’ny daholobe izahay mba hanaja ny rafitra sy ireo tetikadt izay apetraka eny an-dalana satria maro ny lalana ho tapaka, eo ihany koa ny toerana tsy azo aleha na ivezivezena », hoy hatrany ny fanambarana nataon’ny EMMO-NAT. Raha mikasika ny fanatrehana ny lanonana atao ao amin’ny kianjaben’ny Mahamasina kosa dia nanamafy izy ireo fa efa misy ny tapakila tsinjaraina eny anivon’ny Boriborintany tsirairay, ho an’izay olona tsy mitondra fanasana na tapakila araka izany dia tsy ho tafiditra velively eny an-toerana mihitsy. Ankoatra izay, nambara ihany koa fa tsy azo atao ny mitondra zava-maranitra eny an-toerana ary misy ny fisavana tahaka ny mahazatra hatramin’izay. « Aoka tsy hisy ireo te-hamboly korontana na savorovoro mandritra ny fankalazana ny Fetim-pirenena », hoy ny EMMO-NAT. Hiaparitaka ary hiara-hisalahy avokoa ny mpitandro filaminana rehetra na ny eto an-toerana na ny any amin’ny faritra. Araka ny nambara hatrany, amin’izao mialohan’ny faha-26 Jona izao dia efa misy fitsirihana manerana an’Antananarivo ary ny « couvre-feu » ihany koa dia mbola mihatra hatramin’ 11 ora alina hatrany. Miantso ny rehetra ny mpitandro filaminana mba hianoka anaty fitoniana ny fankalazana ny fety ary hampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana raha mahita tranga mifanohitra amin’ny lamina napetraky ny tompon’andraikitra.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930