Madatopinfo

 Flash Info

TELMA MADAGASCAR: Misokatra etsy amin’ny Galaxy Andraharo ny Telma Shop Digital

TELMA MADAGASCAR: Misokatra etsy amin’ny Galaxy Andraharo ny Telma Shop Digital

TELMA MADAGASCAR: Misokatra etsy amin’ny Galaxy Andraharo ny Telma Shop Digital
novembre 06
05:47 2023

Hamaliana ny hetahetan’ny mpanjifa Telma 034 sy 038, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 03 Novambra lasa teo etsy amin’ny Campus Telma Galaxy Andraharo ny Telma Shop Digital. « Isan’ny mampiavaka ity eto Andraharo ity ny maha Telma Shop lehibe indrindra azy eto Madagasikara. Amin’ny maha Telma Shop Digital azy izay, dia mampianatra sy manazatra ny mpanjifa amin’ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma Madagasikara, Fidy Rasolofoniaina. Raha ny nambarany, antony nananganana izao ny eo amin’ny lafiny fahasalamana satria isan’ny manaparitaka aretina haingana ny fikirakirana mivantana ny ravim-bola. Eo ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fampihenana ny fampiasana taratasy.
Ahitana ireo tolotra Telma mahazatra eny an-toerana, toy ny Mbalik sy ny Mvola izay ahafahana misintona na mametraka na ihany koa mandefa vola. Misy karazana finday ihany koa eny, ary azon’ny mpanjifa atao ny mamerina ny « puce » very na simba, mivarotra « puce » ihany koa ity Telma shop vaovao. Raha misy fanamarihana na fanontaniana mikasika ny Telma amin’ny ankapobeny, dia efa misy tompon’andraikitra mandray azy ireo ao. Voavaha ao avokoa araka izany ny mety ho olan’ny mpanjifa rehetra ny amin’ny fisian’ity Telma Shop Digital vaovao ity.
Tombotsoa goavana araka izany no sitrahan’ny mpanjifa mampiasa Digital, amin’ny toerana sy fotoana rehetra mantsy dia azon’ny mpanjifa Telma hatao ny mividy tolotra na entana izay ilainy.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930