Madatopinfo

 Flash Info

FAMPIAKARANA SARAN-DALANA : Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ministera mpiahy sy ny mpitatitra

FAMPIAKARANA SARAN-DALANA : Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ministera mpiahy sy ny mpitatitra

FAMPIAKARANA SARAN-DALANA : Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ministera mpiahy sy ny mpitatitra
novembre 24
06:30 2021

Nandamoaka! Io no azo hamehezana ny fihaonana teo amin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ireo mpitatitra izay notanterahana ny talata 23 Novambra. Nandritra ny ora maromaro izany fifampidinihana izany ary teny Anosy no nanatanterahana azy. Taorian’io fivoriana niarahan’ny roa tonta io, nanamafy ny solontenan’ny mpitatitra rezionaly sy nasionaly fa tsy nisy hevitra tapaka aloha hatreto nandritra ny dinika mahakasika ny fampiakarana saran-dalana. “Efa 10 taona lasa izay no tsy nampiakatra saran-dalana ireo zotra ireo kanefa efa tafakatra hatramin’ny 26% ny vidin-tsolika tao anatin’izay”, hoy ny ampahan’ny fanambarana nataon’ireo solontenan’ny mpitatitra nifampidinika tao amin’ny ministera, Razafy James Jerry.
Na izany aza anefa efa nisy ampahany amin’ireo zotra no nampihatra ny fampiakarana saran-dalana 10 hatramin’ny 40% araka ny fandaminana ao anatin’ny tobim-piantsonana, raha ny nambaran’izy ireo. Toa an’ny Vatomandry sy Mahanoro izay mirefy 84 kilaometatra ary adiny 6 no faharetan’ny lalana, raha 16.000 ariary izany teo aloha dia nisondrotra ho 20.000 ariary izany ankehitriny. Eo ihany koa ny zotra Antananarivo mampitohy an’i Mahanoro, raha 20.000 ariary izany teo aloha, efa 30.000 ariary kosa izany amin’izao. Nilaza ireo mpitatitra fa tamin’ny volana Jolay 2021 izy ireo no efa nikasa hampiakatra ny saran-dalana saingy tsy tanteraka izany. Manodidina ny 7.000 moa no isan’ireo mpitatitra amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly, raha ny atontan’isa voaray.
Nanambara anefa ireo mpitatitra fa tsy hiroso velively amin’ny fitokonana na korontana izy ireo fa hiandry ny taratasy avy amin’ny Ministera mpiahy momba ny fampiakarana saran-dalana.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031